27 Aogositra – Taratasin’ny mpamaky

Taratasy ampitaina amin’ny gazety Ny Valosoa Vaovao sy ny rehetra mety hiantefany izao taratasy manaraka izao : NY MALAGASY POTEHINA FA NY VAHINY NO OMENA LAKA.

Mahay mampiantso “conseil municipal” ingahy mera rehefa hanome tany ho an’ny vahiny. Nanala ny MBS sy ireo tsena anefa nanapaka samy irery. Mazava izao fa potehina tanteraka ireo mpandraharaha Malagasy mba hanjakan’ny akamakama sy ny vahiny.

Ny orinasa “TOM group Axian”, izay tadiavin’i mera omena tany dia tsy teratany malagasy akory no tompony fa: “HASSANEIN HIRIDJEE”, Malagasy taratasy, fa vahiny mpiaro ny tombontsoan’ny mpanjanaka. Ankehitriny angatahany “session” fa omena tany eny Anosipatrana sy Alarobia.

Anasoa ny vahoaka malagasy no nanomezany fahefana ho anao fa tsy anome laka ny vahiny na ampitombo ny fahantran’ny vahoaka mihitsy akory.

Léonard Rakotoarison
Mpamaky gazety Ny Valosoa Vaovao