EDITO 25 Aogositra – Fiainam-pirenena – Tokony ho foanana alohan’ny fihibohana ny hamehana ara-pahasalamana

Ny Valosoa

Mazava ny resak’Ingahy filoha Rajoelina tamin’ny alahady teo, fa mizotra amin’ny famahana ny fihibohana ny fitondrana, kanefa ilay hamehana ara-pahasalamana mbola tsy navotsotra hatramin’izao.

Mifangaro ao an-tsain’ny vahoaka Malagasy ny hamehana sy ny fihibohana, ho an’ny mpitondra dia mety aminy izay fifangaroana izay.

Ilaina ny mitondra fanazavana mikasika azy roa ireo: ny hamehana dia maro ireo fepetra voafaritra ao anatiny, fa ny tena zava-dehibe mahakasika ny asa fampahalalambaovao ihany no ampahatsiahivina eto, mikasika ny valan’aretina izay mamely ny firenena, dia ny fitondrana ihany no mahazo mamoaka ny vaovao mifandraika amin’izany, indrindra moa fa ny tarehi-marika mikasika izany dia farany izay tsy azo atao ny mamoaka azy, voarara ihany koa ny fanaovana fandaharana mampiditra antso mivantana amin’ny haino aman-jery, ary tandremana mafy ny famoaham-baovao mitsikera mivaivay ny fitondrana, fa izay minia manao izany tonga dia midoboka avy hatrany, maka aina ary tsy misy adi-hevitra. Jadona fotsiny izao.

Momba ny fihibohana dia ny fepetra raisin’ny fitondrana momba ny fianambahoaka andavanandro, toy ny fitaterana, ny ora fiasan’ny mpiasa, ny fanadinan’ny mpianatra, ny fisokafan’ny tsena , ny famoriambahoaka, sns…

Dimy volana izay ny hamehana sy ny fihibohana, maika ery ny fitondrana hamaha ilay fihibohana, ny fitiliana momba ny tsimok’aretina anefa mihena isan’andro, ka mampihena ny isan’ ireo mitondra ny otrik’aretina, ny mpitondra efa mipi-kelika fa voafehy ny aretina, tsy dia mahataitra loatra izany satria Ingahy Filoha efa nilaza fa hanao lanonana makotroka amin’ny 14 Oktobra ho avy izao, ary izy rahateo efa iaraha-mahalala fa “lohampety”.

Ny hamehana ara-pahasalamana etsy andaniny dia io tohizana lava tsy misy fiafarany io, mazava ny antony, fa fanosihosena ny fahalalahana maneho hevitra sy tahotra ny ivoahan’ny fahamarinana, kanefa diso kajy ihany ny fitondrana satria na ho ela na ho haingana tsy afaka hihazona an’io mandavantaona izy ireo, ny mpampahalala vaovao koa mahandry ,ary ny vahoaka mbola mahatadidy ireo vaovao tokony ho navoaka na aty aoriana aza.

Diavolan-ko lava ny lalao mbola ho ela ela e!