IZA MOA ‘ZAHAY ?

‘Zay fomba maloto rehetra dia efa nataonay daholo,
Na hosoka na hala-bato, amboletra ary koa ny bontolo.
‘Zahay izao no tena mahery, no sady tsy isalasalana
Fa tompon’ny zava-drehetra, lalàna ary koa fahefana.

‘Zay manelingelina anay ka mijoro miseho manakiana,
Minoa fa tsy maintsy ho fay f’izahay tsy azo vazivaziana.
Raha miseho ho mangotraka ny any, ny aty efa tena mandoro.
Raha lainga sy fitaka koa, tena zatra ‘zahay fa tsy atoro.

Fitsarana efa anay manontolo, tsisy zavatra hoe atahorana,
Efa tena milamina mantsy ny amin’ny paika sy lalan-kizorana.
Na ireo hery natao hamoretana na ny fonja izay hanagadrana,
Efa miandry an’iretsy mpanohitra be di-doha amin’itony tanàna.

– Dia fotory sy fantapantaro, iza moa izahay raha hambara?
– Iza fa tsy ‘reo olo-mpandrava sy mpanimba an’ity Gasikara!
Tsisy zavatra afenina intsony f’efa fantatra miharihary:
Jiolahy tia manao saron-tava , mpankamamy ny volomboasary!

TSIMIMALO (20-08-20)