Hetsika Les Indignés de Madagascar any La Réunion – Fianakaviana 200 nisitraka fanampiana

Les Indignés de Madagascar 974

Tontosa soa aman-tsara ny fizarana fanampiana ho an’ny fianakaviana marefo miisa 200 any Ambohimanarina, nokarakarainay “Les Indignés de Madagascar à la Réunion”.

Isaorana manokana ny mpanao gazety Arp Helisoa, Mme Fine ary ny fikambanana 6M izay nanakinana ny fananatontosana ity hetsika voalohany ity.

Izahay moa tsy manana 600 M de dollars fa ny tsipaipaika kely voaangona taty no nividianana bodofotsy tany @ orinasa SOMACOU (orinasa malagasy) ary ireo no nozaraina niaraka t@ savony sy vary avy @ 6M tarihin’i Lucien Rabalimanana.
Bodofotsy no nosafidiana satria mba manampy ny marefo hiady @ hatsiaka @ alina. Ny hatsiaka manko dia anisan’ny mampirongatra ny Coronavirus.

T@ ity hetsika ity dia tianay naseho ny Mpitondra koa fa tsy mila kabary, tsy mila werawera, tsy mila famoriana olona, tsy mila micro… rehefa manao asa soa sy mizara fanampiana fa ATERINA ISAM-BARAVARANA ny fanampiana dia milamina.
Manao antso avo izahay ho an’ny mponina rehetra eto La Réunion mba handray anjara @ hetsika manaraka izay hokarakaraina.

Mitohy ny tolona ! Mahereza daholo.