EDITO 1 Aogositra – Mandatsa vahoaka mahantra sy noana indray Rajoelina

Sôh’son

Raha ny fihetsik’i Andry Rajoelina, raha ny ambarany sy ny zavatra ataony, dia misinton-kevitra avy hatrany, fa tena mandainga sy mihatsaravelatsihy amin’ny vahoaka Malagasy ny tenany. Ilay vahoaka Malagasy izay tsy misy mpiahy fa miady sy manavo-tena irery ao anaty fahasahiranana lalina sy fahantrana mangintsongitsoka. Mifanalavitra tanteraka amin’izay anefa ny fomba fiainan’ny filohan’ny Repoblika mivady, tsy toy ny mifanao atsimo sy avaratra fotsiny intsony fa tena mifanao an-dakira toy ny any amin’ny tendron-tany avaratra sy ny tendron-tany atsimo amin’ity planeta tany ity, tsy hisy fifanatonana na kely aza, fa fihetsiketsehana fotsiny no betsaka.

Nisarika ny sain’ny mpandinika maro ny nanaparitahana tamin’ny fitaovan-tserasera samihafa ny fankalazana ny tsingerin-taonan’ny fanambadian’ny filohan’ny Repoblika mivady. Mazava loatra fa tsy maintsy nisy fetifety nandaniam-bola be tao anatin’izany miaraka amin’ny sakafo hanim-pito loha lafo vidy. Tena tokony naseho tamin’ny vahoaka malagasy ve izany ? Ndeha atao hoe tsy maninona raha naseho imasom-bahoaka an-tsary sy fampahalalam-baovao, fa mitondra inona ho an’ny vahoaka moa izany ? Hampitombo iray kapoaka ny vary arotsany ao am-bilany ve izany ? Moa tsy fandatsana na fampangotsohana azy tsotra izao ao anatin’izao hanoanana manaikitra azy andro aman’alina izao tato anatin’ny volana maro ? Maro amin’ny vahoaka izao no efa tsy maintsy miditra amin’ny fivarotana fananana ao an-tokantrano fa tsy misy ividianan-kanina intsony, ny ankizy tsy maintsy mihinana. Hamidy izay azo amidy rehetra hatramin’ny fitafiana na hatramin’ny tenany aza, sns… Inona no ao an-tsain’ny filohan’ny Repoblika sy andehanan’ny eritreriny raha izy sy ny ankohonany ery ankilany migalabona amin’ny fihinanan-kanimbe lafo vidy sy fiadanan-karena manao fety be haitraitra andaniam-bola be, ary etsy andaniny indreo ireo vahoaka Malagasy mahantra iandreketany mitofezaky ny harerahana amin’ny fitadiavana sy ny hanoanana, ary miady mafy ny hahavelomana isan’andro sisa ? Raha ny fahitana izao zava-misy izao, hitan’ny masony ihany izany na mety henony, fa tsy misy fiantraikany any anatiny any. Ny resaka fampandriana adrisa fotsiny no betsaka amin’ny filazana amin’ny vahoaka handemena ny sainy fa tena mahalala sy mahatsapa ny fahoriam-bahoaka ny tenany. Raha tena mahatsapa tokoa, ary tena tia tanindrazana sy ny vahoaka marina, raha tena miray fo marina amin’ny vahoaka amin’ny manjo azy, tsy ho sahy hamoaka ireny vaovao ireny na kely akory aza ary tsy hanao fihetsiketsehana hanehoana fifaliana mihitsy amin’izao fotoana izao. Tsy tokony ho adinoina anie, ary ny filohan’ny Repoblika sy ny ekipany akaiky ao an-dapa ao no voalohany mahafantatra izany tsara, fa isan’andro misy Malagasy mamoy ny ainy, nodimandry, vokatry ny valanaretina covid-19. Mihevitra ve izy sy ny ekipany na ireo olom-boafidy miara-dia aminy rehetra, fa vitan’ny filazana teny fiaraha-miory sy fampaherezana fotsiny ataon-dRamatoa profesora isaky ny atoandro ny fanehoana fa tena mahatsapa ny fahoriam-bahoaka izy ireo? Tsia, miendrika fihatsarambelatsihy sy fipasopasohan-dresaka izany indrindra raha avy eo ianao lasa manao figalabonana amin-karena etsy sy eroa na any ambadika any. Tena karazana filalaovana ny vahoaka mihitsy izany. Mbola mampieritreritra ny mpandinika maro ihany koa aza ny fahitana ity fihetsiketsehana be mitety faritra ity tato ho ato, izay ambaran’ny olom-pirenena mandrakariva fa tokony ho ny eo anivon’ny ministeran’ny fahasalamana no hisahana izany.

Hatramin’izao tsy hita mihitsy izay mba fihetsika kely, nanohinan’ny ny fon’ny Malagasy olom-pirenena, nataon’ny mpitondra. Tsy avy amin’ny vola fanampiana avy any ivelany akory, sao dia izany no idedahana eo, na avy amin’ny volam-panjakana, izay avy amin’ny vahoaka ihany izany, fa ilay avy any anaty kitapom-bolan’ny filohan’ny Repoblika manokana mihitsy, sy ny an’ireo mpiara-miasa akaiky aminy rehetra. Raha mbola tsy misy izany, dia miendrika fandatsana ny vahoaka hatrany no zava-misy eto.