Dinika MBS – Lasa mandray ny asan’ny ministera sasany ny fikambanana an’ny vadin’ny Filoha

Mialy Rajoelina

Isambilo

Nivahiny tao amin’ny fandaharana Dinika, amin’ny televiziona MBS, ny mpikambana amin’ny antoko Tiako i Madagasikara mirahalahy Jean Claude Rakotonirina, mpandrindra nasionaly, sy ny depioten’Antananarivo Atsimondrano, Alain Ratsimbazafy afak’omaly.

Anisan’ny nambarany tamin’izany fa tsy nahomby hatreto ny paikadin’ny mpitondra itantanany ny valanaretina coronavirus, sy ireo rafitra “doublons” napetraka. Voalaza ihany koa fa izay nanome soso-kevitra sy vahaolana ary niantso fifampidinihana sy fifampiresahana dia nolazain’ny mpitondra sy ny mpiara-dia aminy hatrany fa mitady seza. Ny mpanohitra foana, anisan’izany ny TIM, no lazaina fa tompon’antoka amin’ny tsy fitezena, nefa ny mpitondra tarihan’ny filoha Andry Rajoelina mihitsy no tena tsy mahay mitantana.

Ankehitriny anefa dia efa tena resy sy mandohalika noho ny fahasahiranana ny vahoaka. Ny fanampiana ara-tsosialy omen’ny Fanjakana misy fanavakavahana ary efa tsy mifanandrify amin’ny zava-misy. Ankoatra izany, ny antontan’isa an’ireo olona tratran’ity valan’ aretina ity tsy mitsaha-mitombo. Vitsy anefa ny toerana handraisana an’ ireo marary raha oharina amin’ireo olona voatily ka voan’ny aretina.

Etsy andanin’izay dia lasa endrika fisehosehoana sisa no hita taratra ataon’ny mpitondra. Lasa ny fikambanana izay tarihin’ny vadin’ny filoha no mandray ny anjara asan’ny ministera isantsokajiny, toy ny ministeran’ny mponina, ny fahasalamana, ny fitaterana. Izay mampametrapanontaniana ihany hoe vola avy aiza, izy ireny? Hoy ny fanamarihan’ izy ireo nandritra io fandaharana tamin’ny fahitalavitra io.