FITONDRANA TSY MAHOMBY

Fitondrana tsy mahomby nefa mbola miady an-trano.
Dia mba ho aiza raha izao no hiafaran’ny firenena?
Tsy halohalika intsony fa mandifotra ny rano.
Ny mametra-pialana, izay no tena fahendrena!

Fitondrana tsy mahomby, efa manao ny tsy fanao.
Mamoron-kevitra maloto sy mampiasa hafetsena.
Torohevitra ny anay raha tojo zavatra toy izao:
Ny mametra-pialana, izay no tena fahendrena!

Fitondrana tsy mahomby, nefa tia mideradera,
Sady angadiny mihitsy izay hoe mampanantena .
Toa tsy mahazaka anefa nony tratry ny tsikera.
Ny mametra-pialana, izay no tena fahendrena!

Fitondrana tsy mahomby nefa dia miseho ho mazana.
(Tena zavatra tsy hainy izany hoe manetry tena.)
Izao, tsy miery intsony anefa f’efa toa misara-bazana.
Ny mametra-pialana, izay no tena fahendrena!

TSIMIMALO (24-07-20)