EDITO 28 Jolay – Vahoaka Malagasy – Mahalala ny tokony hataony fa tsy afa-manoatra

Radafy

Tsy mila entanina akory ny Malagasy amin’ny fifanampiana sy fifanomezan-tànana amin’ny mpiara-belona aminy eo amin’ny fahasahiranana miatrika fiainana andavanandro, na indrindra amin’ny krizy ara-pahasalamana, fa tena maha Malagasy ny Malagasy izany. Tena fiainany izany rehefa ao anaty fotoan-tsarotra lalovan’ny firenena. Saingy ny olana lehibe sy sakana ho azy, dia ny fahasahiranana sy ny fahantrana lalina dia lalina mampihitsoka ny fiainany nandritry ny taona maro sy indrindra amin’izao fotoana izao izay tena mafy sy sarotra tokoa.

Mbola nanentana ny olom-pirenena, ankoatra ny orinàsa afak’haba, ny hanao izay fifanampiana sy fifanomezan-tànana amin’ny mpiara-belona aminy izay, tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina iray, ny tale misahana ny serasera eo anivon’ny prezidansa, andro vitsy lasa izay nandritry ny dinika nifanaovan’ny mpanao gazety taminy. Toa mora ery ny filazany azy amin’izany ary tsy hita taratra velively tao anatin’izany ny fahatsapàny izay manjo ny vahoaka Malagasy izay ankehitriny, sy ny amin’ny toe-tsaina tena Malagasy. Avy eo indray koa ampitahainy amin’ny toe-javatra tsy hitovy velively ny raharaha. Tokony hiara-hientana toy ny tamin’ny Barea ny vahoaka amin’izao ady amin’ny fihanaky ny valanaretina izao, hoy izy. Tsy hitovy mihitsy satria, tamin’ny Barea dia hita fa an’ny Malagasy rehetra ny fifaninanana natao, fa tamin’ity ady amin’ny coronavirus ity, vao tany am-piandohana dia ny loko politika volon-daoranjy no nahindrahindra ary efa ao anatiny izao mbola misy resaka politika hatrany sy fanindrahindrana an’i Andry Rajoelina. Mazava loatra tsy maintsy hisy ny hihemotra sy hitazam-potsiny satria kajy politika no narantiranty aloha. Minia mikimpy anoloan’izany ity olona tomponandraikitra niseho nanentana ny vahoaka ity. F’angaha io handeha ho azy amin’izao sy toy ny “robot” azo baikoina amin’izay ilàna azy ny vahoaka Malagasy? Hadisoan-kevitra bevava izany ary fositra iray lehibe manahirana eto amin’ity firenena ity. Toy izany ny olona miara-miàsa amin’ny filohan’ny Repoblika ao, ary tsy izy irery ihany, fa maromaro.

Ny Malagasy rehefa mahita fa tena manao amin’ny fo tokoa ny tomponandraikitra isan-tsokajiny rehetra, sy toy ny nataon’ny mpilalaon’i Barea ireny, dia tsy mila entanina akory ny vahoaka fa zavatra be lavitra noho ny vinavinain’ny mpitondra aza no hotanterahiny eo. Tsy mila entanina izy hanangan-tsaina, fa rehefa hitany fa tena mifofotra mafy andro aman’alina tokoa (tsy miàsa aminy ny filazàna izany amin’ny teny tsara lahatra, fa asa hitany maso mivaingana ihany), amin’ny fiarovana ny fiandranam-pirenena, ny fitiavan-tanindrazana, ny fanandratana ny lafim-piainany andavanandro sy ny fiarovana ny tombontsoany marina tokoa, amin’ny fampandrosoam-pirenena ny fitondrana dia ho rakotra saina mitsangana ny tokantrano tsirairay manerana ny Nosy, na amin’ny andron’ny 26 Jona io, na andro hafa samihafa natao hanehoana ny hambompom-pirenena.