Fiatrehana fanadinam-panjakana – Mbola misy ireo teboka tsy voavaha mazava

Radafy

Tsy handritry ny fotoam-panadinana ihany fa vao miainga any an-tranony ireo mpianatra dia efa tafiditra amin’ny andraikitry ny tomponandraikitry ny sekoly, na ireo mpiandraikitra ny fanadinana izany. Misy fiheverana somary diso ihany mantsy ao anatin’izao fotoanan’ny hamehana ara-pahasalamana eto amin’ny firenena izao raha eo amin’ny seha-panadinana. Efa notondroin’ny filohan’ny Repoblika ireo datin’androm-panadinana amin’ny hakàna ny diplôman’ny Cepe, Bepc, ary Bakalorea. Ny manahirana ny sain’ny mpandinika maro indrindra dia ny fanadinana Cepe sy Bepc, izay antomotra tanteraka amin’ny teboka na andro faratampony amin’ny habetsahan’ny tranga vaovao amin’ny valanaretina coronavirus, na ny « pic ». Efa nosoratana teto ihany ny amin’izany ary tsy iverenana intsony. Noresahan’ny tomponandraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena andro vitsy lasa izay, ny amin’ny fandaminana samihafa mifandraika amin’ny fepetra ara-pahasalamana raisin’izy ireo amin’ny fotoana hiatrehan’ny mpiadina fanadinana. Anisany, ohatra, ny famerana ny isan’ny mpiadina iray kilasy tsy hihoatra ny dimampolo, ny fampiasana ny fitaovana fanasana tànana sy ny tsiranoka miharo alkaola.

Efa tsara aloha ny fisian’ny fepetra noraisina toy izany, kanefa ampy ve izany hiarovana ireo zaza Malagasy manoloana ity fihanaka tsy voafehy amin’ny valanaretina covid-19 ity? Ho an’ny mpandinika dia tsy ampy izany. Naverimberina matetika amin’ny haino aman-jery rehetra manerana ny Nosy mihitsy, ny amin’ny filazana ny amin’ny fijanonana an-trano na fihibohana, fa io no fepetra iray mahomby hanapahana ny fihanaky ny valanaretina. Tsy maintsy mivoaka ny trano anefa ireto zaza sy kilonga madinika hiatrika fanadinam-panjakana. Mazava loatra ny maro tsy manana fiara manokana azy, fa tsy maintsy mandeha amin’ny fiara fitateram-bahoaka (raha efa miàsa izy ireo amin’izany ampitson’ny “pic” izany). Na misy izany na tsia, tsy maintsy manao izay hahatongavany any amin’ny foibem-panadinana izy ireo. Tsy misy afaka hilaza anefa fa azo antoka ny dian’izy ireo eny an-dalana eny amin’ny aro ara-pahasalamana, ary toy izay koa ny fodiana.

Tsy mivaky loha ny amin’izany ve ny tomponandraikitry ny fanadinam-panjakana, fa izay ao anaty foibem-panadinana ihany no andraikitr’izy ireo? Ny ivelan’izany toerana izany tsy andraikiny, fa an’ny ray aman-dreny. Dia mety ve izany? Toy ny manao izany hoe: anareo ray aman-dreny ny andraikitra na handefa ny zanakareo na tsia, hiatrika fanadinana ianareo. Izany hoe hampivesarana andraikitra goavana ny ray aman-dreny ao anatin’izao hamehana ara-pahasalamana izao: efa noterena ankolaka izy hamita ny ampahany be amin’ny asa sy andraikitry ny mpampianatra amin’ny fanaraha-maso be dia be ny zanany amin’ny fianarana fanaovana devoara sy famerenana lesona tao anaty volana maromaro. Izao koa izy ireo mbola terena handray andraikitra feno amin’ny fitondrana ny ankizy sy fiarovana azy ho tonga any am-pianarana sy mamonjy fodiana. Mihalangalana fotsiny ao anatin’izay rehetra izay ny tomponandraiki-panjakana misahana ny fanadinana, fa tsy hita izay fihetsika ataony hanampiana azy ireo na hamonjy ny toeram-panadinana na handeha hody avy eo. Marina, fa efa manao izany hatrany ny ray aman-dreny rehefa fotoam-panadiana saingy tamin’izany dia fiahiana azy ireo fotsiny ihany amin’ny fitaterana na ny fanaovana izay hahatongavana any amin’ny toeram-panadinana. Fa amin’ity indray mandeha ity dia tena hafa ary mafy satria tsy maintsy arovana amin’ny fihanaky ny valanaretina tsy hita maso ny zanaka. Olon-dehiba aza mandeha eny an-dàlana sahirana be ihany miaro tena mainka fa ankizy. Izany hoe mitombo izany ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny ao anatin’izany fiatrehan’ny zanany fanadinana izany. Ny an’ny mpiadina hiatrika ny Cepe dia iray andro ihany, fa ny an’ny Bepc dia efatra andro be izao hivezivezy. Na andro iray na efatra tsy mora akory izany raha handeha hivoaka ny trano, satria iaraha-mahita tsara ny tsy fifehezana ity valanaretina ity eto amin’ny firenena.

Mitombo araka izany ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny raha hiatrika fanadinana ny zanany. Marina fa efa maro no sahiran-tsaina ny hisiana na tsia ny fanadinana amin’ity taona ity. Izao izy voalaza fa hisy, saingy mitombo ny olany. Miara-dàlana amin’izay, sarotra ihany ny fiarovan-tenan’ny zaza sy ny ankizy amin’ny fiarovan-tenany amin’ny fihanaky ny valanaretina covid-19. Hizotra tsara sy tsy hisy olana ve izany rehetra izany amin’ireo androm-panadinana ireo? Ho hita eo ny fizotran’izay.