MIADY INDRAY NY IRAY EKIPA ?

Ny lamba maloto indray no aderadera
Mba ho hitam-bahoaka ianareo fa voretra?
Dia manampy trotraka ny serasera,
Maneho an’izany amin’ny olon-drehetra?

Fa tsy azo nafenina ve izy ireny?
(Mba tany amin’ny miafina no nosasana!)
Sa misy “vedety” tsy maintsy miteny,
Satria manam-bava ka tsy azo rarana?

Nahoana no tsabatsabahana ny asan’
Ny manana andraikitra sy dokotera?
Mahay an’izany angaha ny olona sasany,
Sa dia fitiavana te hitsikera?

Ny vokany anefa mba diniho kely,
Fa afa-baraka “ianareo samy manja”,
Satria tsy mitsahatra ny mifamely,
Na any amin’ny takona na eny an-kianja!

Manetry ny lazan’ity fitondrana,
Ity ady ifanaovanareo iray ekipa.
Tsy “tarehy ratsy” io ka tsy azo ovàna,
Koa mieritrereta ianareo re “ry sipa” !

TSIMIMALO (23-07-20)