Fanampiana 30 000 Ariary – Manao tian-kano tsy tian-kano ny fitondrana

Sôh’son

Vola telo alina ariary sisa no vola fitsinjo atolotry ny fitondrana Rajoelina amin’izao fotoana izao. Tsy re intsony ary tsy misy fanazavana ny antony tsy anomezan’ny fitondrana ny vola fanomezany tany am-boalohany dia ny iray hetsy ariary. Inona no antony tsy ahavitana na tsy ahafahan’ny fitondrana manao sy mampitovy ny tamin’ny an’ireo teo aloha voalohany? Inoana fa tsy hitondra fanazavana ny amin’izany velively ny fitondrana. Amin’ny lafiny iray dia misy fijerena samihafa ny vahoaka sy misy atao ankolafiny izany. Tsy mety anefa izany fomba fiasa izany ary manimba firenena, misy vokany misoko mangina eo amin’ny samy mpiara-monina. Moa tsy manana olona mahay fiarahamonina na nandalina momba izany sy indrindra ny momba ny Malagasy ny eo anivon’izao fitondrana Rajoelina izao?

Vola telo alina ariary, tian-kano tsy tian-kano, ny fahitana ny zava-misy. Olon’iza amin’ny vahoaka no handà izany indrindra ao anatin’izao fahasahiranana sy fahantrana lalina manjo azy izao? Sitrany kely mba vaza-mihetsika, araka ny fitenenana, ary aleo maty rahampitso toy izay maty anio. Toe-tsaina Malagasy iray izany, ary ilalaovana azy ho an’izay mpanararaotra manana toetra ratsy. Tsy mahasoa na ho an’ity mpanao ratsy na ny vahoaka Malagasy izany.

Vola telo alina ariary, ampahafirin’ny sakafon-dRajoelina sy ny ankohonany isan’andro, na ihany koa ireo mpitondra mpanefoefo mihazom-pahefana amin’izao fotoana izao? Marina tsy sakafo amin’ny fotoana iray izany na maraina fotsiny na atoandro na hariva ho an’ireo sokajin’olona ambony ireo, na mety ho “goutter”n-janany indray maraina izany, na ihany koa aza mety ho vola am-paosiny isan’andro? Izany anefa no vola omena ny vahoaka lazaina ho marefo amin’izao fotoana izao miatrika ny krizy ara-pahasalamana izay tsy mbola fantatra ny fotoana hiafaràny. Hahavita ny olona hatraiza amin’ny sakafony izany vola fanampiana izany ary rahoviana indray vao mba ho avy ny manaraka? Inoana koa anefa fa mbola hisy ihany sokajin’olona tsy hahazo ny tandrify azy amin’io fanampiana io. Dia hanao ahoana ny fiveloman’izy ireo, ahoana ny hoaviny? Tsy misy vahaolana ny amin’izany ny fitondrana raha ny fahitana ny zava-misy tanterahiny hatreto. Ka iza izany no mba isarangotan’ireo olona ireo sy itarainany hamonjy azy? Vahoaka Malagasy anefa ireo, tsy tafiditra ao anaty lisitra amin’ny fanampiana avy amin’ny fitondrana.

Ambilom-bazana ny vola fanampiana natao hitsinjovana ny vahoaka Malagasy marefo amin’izao fotoana izao. Tsy ao anaty kajin’ny fitondrana velively ao anatin’izany ny an’ireo hafa sahirana mafy sy tsy ao anaty sokajin’ny mpiasam-panjakana. Izany no fomba fitantanan’ity fitondrana Rajoelina ity ny vahoaka Malagasy amin’izao fotoana izao. Izy ihany anefa no nahatonga izao toe-javatra mitranga eto amin’ny firenena izao.