18 Jolay – Taratasin’ny mpamaky

Asa raha fantatsika, fa ny antony tena nahatafiditra ny coronavirus teto amintsika dia toy izao. Fantatra tamin’ireny fotoana ireny : volana martsa fa niandrasana an’ireo zanak’i Mamy Ravatomanga avy any Frantsa hody eto Dago no tsy nanidiana ny sisintanin’i Madagasikara ara-potoana, dia izay no anisan’ny nahatafiditra ny corona virus teto noho ny fidiran’ireo cas importé ; dia izao lavo hatramin’ireo mpitondra fiangonana tsy manantsiny mamintsika noho ny tsy nanidiana ny sisintany. Iza moa i Mamy Ravatomanga, tsy iza fa ilay Mpandraharaha akaiky an’i Andry Rajoelina, izay ohatran’ny hoe filohampirenena faharoa mibaiko antsika eto , Mamy Ravatomanga dia nanankarena tampoka noho ny afera maizina samihafa tamin’ny andron’ny tetezamita nitondran’i Andry Rajoelina. Dia izao isika mbola faizina ao anaty fihibohana izao sady mbola mitombo isan’andro ny lavon’ny Covi19, afak’omaly izao dia 10 be izao no lavon’ny covi19 ary tsy mitsaha-mitombo ny olona voa. Mba tongava saina amin’izay ra-Malagasy.

Tahiana Rakotonirina
Lot….. Anjoma, Toamasina I.