RMDM – Manome ireo teboka momba ny fanadihadian’ny Banky Iraisam-pirenena

Helisoa

Tamin’ny alahady 12 jolay dia nanambara i Andry Rajoelina, fa misy “rapport” nataon’ny Banky iraisam-pirenena, fa nisy vola 193 tapitrisa dolara tamin’ny fanampiana nataon’ny Banky iraisam-pirenena teo anelanelan’ny 2002-2010, lasa any amin’ny “paradis fiscaux”.

Mazava ho azy fa fanenjehana ny fitondrana Ravalomanana tamin’izany fotoana izany no nataony. Anisan’izany ihany koa ny resaka nataony momban’ny orinasa Tiko any Vohidiala sy ao amin’ny Port Toamasina. Ireto misy fanamarihana vitsivitsy hoy ny RMDM:

• Tsapa fa tsy manana izany toetra maha “ homme d’Etat” izany izy satria tsy manana ilay atao hoe “ honnêteté intellectuelle”, ary hita avy hatrany fa fanenjehana manokana an’i Président Ravalomanana no natao.

• Ny mpitondra manana ny “ honnêteté intellectuelle”, dia milaza ny marina momba ilay dossier nambaran’ny Banque Mondiale fa tsy mandainga. Voalohany dia vokatry ny étude natao iny fa tsy rapport araky ny filazany.

• Faharoa, étude tamin’ireo données teo anelanelan’ny taona 1990-2010 no nanaovana ilay étude, fa tsy araky ny voalazany fa 2002-2010. Maninona no nesorina ny teo anelanelan’ny 1990-2002 ? Satria ve ny olona nitondra tamin’izany manohana ity fitondrana ity, ka natao fanahiniana nesorina sao manahirana ? Aza disoana ny marina fa efa zatra mandainga loatra ianareo.

• Tsy misy ny porofo fa ny fitondran’i Président Ravalomanana no nanao ny fanodinkodinana ireo vola ireo tany amin’ny “paradis fiscaux”. Vakio tsara ilay étude fa tsy misy anaran’olona ao na iray aza. Tsy misy ihany koa ny étude manokana mikasika ny 2002-2008 nitondrany.

• Efa fahazarana ve ny manao manipulation ny vahoaka dia omena daty diso sy tsy ilazana ny marina izy ireo?

• Nametraka fitokisana an’ny fitondran’i Président Ravalomanana ny mpamatsy vola tamin’izany andro izany, ary porofon’izany ireo fotodrafitr’asa maro vita, làlana, fampidirana ny zaza Malagasy nianatra, ny CSB izay tena ilain’ny vahoaka any ambanivohitra lavitra, sns…

• Mbola ny fitondrana Ravalomanana no nanomboka niady tamin’ny kolikoly ary nametraka ny Bianco sy ny Samifin ary nahazo famatsiam-bola ho an’ny PGDI.

• Mbola manamafy izahay, fa tsy “homme d’Etat” izany Andry Rajoelina, ary tsy manana “ honnêteté intellectuelle”, ary tsy manana hambom-po, fa mpanao manipulation vahoaka. Iza no nilaza ren-tany ren-danitra fa tsy hiankina amin’ny mpamatsy vola mahazatra, indrindra ny Banque Mondiale sy ny FMI. Raha tena “homme d’Etat” izy dia tokony nitazona izany teny izany ary nandà tsy nandray ireo fanampiana avy any amin’ireo mpamatsy vola izay lazainy fa mahatoky azy.

• Momba ireo orinasan’ny Tiko any Vohidiala na ilay any amin’ny Port Toamasina, dia misy contrat nifanaovana daholo ireo, fa tsy faly ny hanenjika fotsiny.

• Ny fitondrana tetezamita ihany koa no nangalatra ny fananan’ny Tiko toy ny vary tany amin’ny Port Toamasina, nandoro ireo Magro manerana ny Nosy, nangalatra ireo fiara sy camions samihafa. Manainga ny olona rehetra izay manana porofo na ihany koa nahita ireo mba hitsangana ary hanatona anay hoy ny RMDM.

• Ianareo izay simba fananana nandritry ny fanonganam-panjakana sy ny tetezamita ihany koa dia mitsangàna miaro ny fanananareo.

• Satria milaza fa tsy nanodinkodina vola izy, dia manao antso avo amin’ny olona rehetra izay potika fananana tamin’ny “lundi noir 2009”, satria maro ireo olona very asa, very fananana ary hatramin’izao mbola tsy nandoavana dommage et intérêts izy ireo nohon’ny famporisihana nataon’i Rajoelina nandritry ny fanonganam-panjakana.

• Avoahay ny marina momban’ny vola namarotana ny harem-pirenena tany Soalala, ny fanondranana bois de rose izay misy vidéo mihitsy mikasika an’io bois de rose io, fa Rajoelina dia anisan’ny nanao an’io, ary ny vidin’ny avion “force one 1” izay namidinareo. Volam-bahoaka daholo ireny.

• Avoahay ny nampiasana ireo fanampiana 500 tapitrisa dolara amerikana mahery iadiana amin’ny coronavirus ity. Ataovy ny mangarahara fa inona no hafeninareo kanefa ny vahoaka Malagasy nomena ireo vola ireo tena sahirana. Aza zatra manao diversion loatra rehefa tsy mahay mitantana sy mifehy ity aretina coronavirus ity, hoy ihany ny fanambarana.