Fitondrana Rajoelina – Lesoka iray lehibe ny politika momba ny mponina

Radafy

Tsy mahafehy ny politika momba ny mponina mazava ny fitondrana Rajoelina ankehitriny. Tsy afaka hilaza mazava sy hentitra marina ny tompon’andraikitra ny amin’izay isan’ny mponina fa manakaikikaiky na manodidina ny isa tena marina no ambarany. Ambara fotsiny hoe 25 tapitrisa ny isan’ny vahoaka Malagasy, tena izay marina tokoa ve?

Tranga iray teny amin’ny faritr’Ivandry iny, nandritry ny fidinan’ny filohan’ny Repoblika teny an-toerana volana vitsivitsy lasa izay ary tao anatin’izao hamehana ara-pahasalamana izao, no nahitana fa misy olona tsy voasoratra akory ao anaty fokontany na misy tsy manana karapanondrom-pirenena kanefa manao sahanasa sy mitady fivelomana eny isan’andro. Tamin’izay fotoana izay no nilazan’ny filohan’ny repoblika Andry Rajoelina fa hisy fanavaozana ny karapanondro ary ampiasana teknolojia maoderina. Azo inoana fa mety ho maromaro ny tranga toy io manerana ny nosy fa tsy eny irery. Misarika ny saina, ohatra, ny any amin’ireo tanàna sy faritra anjakan’ny asan-dahalo, ka misy fotoana matory any an-tsaha ny mponina, mifindra fonenana any amin’ny toeran-kafa ny sasany, sy tranga maro samihafa. Marina fa nisy ny hetsika nataon’ny teo anivon’ny Ivotoeram-pirenena misahana ny antontan’isa (Instat), kanefa azo antoka ve fa tafiditra ao anatin’ny fanisam-bahoaka izy ireny? Tena afaka hilaza ve fa tontosa antsakany sy andavany ny fanadihadiana sy ny fanisana natao farany teo? Volabe anefa no lany tamin’izany.

Ato anatin’izao fotoanan’ny hamehana ara-pahasalamana izao, dia tsikaritra ny tsy fifehezan’ny minisitera miahy ny mponina ny politika momba ny mponina. Porofon’izany, raha niseho hitsinjo ny mponina amin’ny alalan’ny fizarana zavatra samihafa ny fitondram-panjakana, dia namaritra ireo sokajin’olona hisitraka izany. Tany am-boalohany toy ny voafehy ihany hoe ireo tokoa ireo sokajin’olona tokony hotsinjovina akaiky. Rehefa nandeha ny andro sy ny volana dia indreo fa nisy sokajin’olona niseho sy nitaky izany satria tena tsy ao anatin’ny kajin’ny fitondrana sy hita ho tsy noeritreretiny mihitsy izy ireo.

Tsiahivina, nisy anefa fanadihadiana izay amin’ny antsipiriany mihitsy natao teny amin’ny mponina manerana ny nosy, izay nahatonga ny sasany ho sorena aza satria toa niditra lalina amin’ny fiainany. Izany anefa dia azo itarafana tsara ny sokajin’ny olona misy eto Madagasikara sy ny lafim-piainana misy eto. Nahoana izany no tsy hita taratra amin’ny fomba fiasan’ny minisiteran’ny mponina na ny fitondrana tao anatin’ny lazaina ho fitsinjovana ny vahoaka ao anaty fahasahiranany izao? Sa ireny natao hisehoana fa miasa sy handaniam-bola fotsiny ihany?

Ny fahaizana mifehy ny politika momba ny mponina no antoka iray lehibe amin’ny fampandrosoana ny firenena. Mihodinkodina fotsiny eo ny mpitondra fa tsy mahatafavoaka ny firenena hiroso marina amin’ny tena fampandrosoana raha toa ka tsy mahavita izany. Iaraha-mahita tsara izao fa miova isaky ny misy tranga tsy azo anoharana ny laharam-pahamehan’ny fitondrana ankehitriny ary anisan’ny antony iray amin’izany ny tsy fifehezana mazava ny politika momba ny mponina. Manaporofo izany koa, raha tsy efa misy hetsika ataon’ny mponina atsy na aroa na vondrona samihafa amin’ny fitakiana ataony sy rehefa miha-mafana izany vao taitra sy mandray fepetra ny fitondrana.

Azo lazaina araka izany fa mandeha an-jambany fotsiny sy amin’izay fantatry ny sainy eo izao fitondrana izao amin’ny fitantanana ny mponina, hany ka tsy mahavaly mihitsy ny hetahetan’ny vahoaka Malagasy. Rahoviana no hifarana izay politika mandeha an-jambany izay?