EDITO 2 Jolay – Fiainam-pirenena – Ny manaintaina tsy sitrana fa ny tsy marary no hifatrarana mafy

Sôh’son

Tsy hita mazava intsony ankehitriny izay fizotran’ny fitsinjovana ara-tsosialy mazava ny vahoaka. Zary indray mandeha miserana monja ny fanampiana ara-tsakafo tetsy sy teroa. Toy izany koa ny fanampiana ara-bola izay ampahany kely tamin’ny mponina ihany no mba nahazo izany, fa ny maro izay latsaka lalina ao anaty fahasahiranana niala maina avokoa, na dia nanao fangatahana aza. Tsy misy resaka intsony ny amin’io fanampiana io mandraka izao. Fa hahavita inona amin’ny fiainan’olona rahateo raha amin’izao krizy ara-tsosialy lalina izao ny fanampiana iray hetsy ariary? Toy ny vary aloha tsy mahavita taona izany ho an’ny nahazo, tsy mahavita iray volana akory. Ny fahasahiranana anefa ity miha-mihitsoka hatrany ary mamahatra isan-tokonam-baravarana.

Fisehosehoana am-boalohany ihany no hita, fa rehefa niha- sarotra ny raharaha resaka fandambolamboana sisa no re atao eny amin’ny haino aman-jery. Ny atao hoe mpitondra mahay dia mahavaha ny olana eo amin’ny sehatra rehetra ary hita maso mivaingana azo tsapain-tanana izany. Ny mpitondra mahay mitondra firenena dia fahaizana sy ny fananana maso afaka mijery sehatra maro lafy manoloana azy, toy ny fahaizan’ny mpampianatra mahay mijery ny fihetsik’ireo mpianatra rehetra ao an-dakilasy sy ny ataon’izy ireo no sady mampianatra ihany. Tsikaritra ho sarotra ho an’izao fitondrana Rajoelina izao ny fananana izany maso izany raha ny zava-misy eto amin’ny firenena no jerena. Hafa ny fandaharam-pianarana atolotra, hafa tsy mifanaraka amin’izany indray koa anefa ny lesona omena ny mpianatra. Fampianarana manao ahoana moa izany? Miendrika toy izany ny kisary hita amin’izao fotoana izao.

Toy ny valala voatango ny vahoaka Malagasy ankehitriny. Ezahina sarangotina avokoa izay hita rehetra hanavotan-tena kanefa tsy afaka manoatra. Ny fahasahiranan-tsaina miha- misisika an-doha hatrany mahita na miaina na mandre ny fandehan’ny raharaha amin’izao fotoana izao. Ny mpamaha olana andrasana anefa ity toa manao kajy be ihany amin-javatra hafa raha araka ny fandinihan’ny mpandalina ny raharaham-pirenena. Ny manaintaina ity tsy sitrana fa any amin’ny tsy maharary indray no hifatrarana mafy.