Nodimandry ny mpanao gazety Lolot Ratsimba – Efa nogadrain’ny fitondrana Rajoelina indroa

Ny Valosoa

Nodimandry omaly teo amin’ny faha-55 taonany ny namana mpanao gazety Lôlot Ratsimba tetsy amin’ny Hopitaly Joseph Raseta Befelatanana.

Raha tsiahivina, efa indroa izy no nogadrain’ny fitondrana Rajoelina tamin’ny tetezamita : ny voalohany dia tamin’ny raharaha RAS teny Ampahibe tamin’ny taona 2009 ary ny faharoa nampidiran’ireo mpanongam-panjakana azy tamin’izany fotoana izany dia ny raharaha FIGN teny Fort-Duchesne. Nampita vaovao mahakasika ireo raharaha ireo Lolot tamin’izany ary izay no nampidiran’ny tetezamita azy tany Antanimora indroa miantoana. Maloka arak’izany ny asa fanaovan-gazety. Nodimandry tokoa i Ratsimba Nambinintsoa Solomon na Lôlot Ratsimba, anarana nahafantarana azy teo amin’ny sehatry ny asa fanaovan-gazety.

Anisan’ny haino aman-jery niasany sy tena nahafantarana azy ny Radio Fahazavana, onjampeon’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM), fandaharana be mpanaraka ny fandaharany tamin’izany nampitondrainy ny anarana hoe : Apenjika. Efa niasa tao amin’ny Top Radio ao amin’ny vondrona Vidy Varotra koa izy, ary ny Radio Vakiniadiana, no farany niasany izao izy nodimandry izao.

Sempotra, izay no nidiran’i Lôlot Ratsimba ny sampana Vonjy Aina tao amin’ny HJRB Befelatanana omaly maraina. Nanao ny ezaka sy ala nenina ireo mpitsabo tao saingy tsy tana ny aina fotoana fohy taorian’ny nahatongavany tao. Anisan’ireo mpanao gazety nanaraka sy nampita nivantana ny vaovao nanodidina ireo fifampidinihan’ireo ankolafy politika teto Madagasikara sy tany Afrika (Pretoria, Maputo, Addis-Abeba, Gaborone…) sy ireo fifanarahana nandaminana ny olana politika taorian’ny fanonganam-panjakana ny taona 2009 i Lôlot Ratsimba. Nidirany am-ponja in-droa nisesy ihany koa ny fanatanterahany ny asa maha mpanao gazety azy araka ny efa voalaza tery ambony. Nosamborina tamin’ny raharaha fihokoana miaramila teny amin’ny RAS (Régiment d’Appui et de Renseignement) Ampahibe ny 29 desambra 2009 i Lôlot Ratsimba sy ny Talen’ny Radio Fahazavana, Didier Ravoahangison. Nosamborina koa izy ny 20 mey 2010 nisian’ny fiaraha-mivavaka nokarakarain’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana (HMF) teny amin’ny Mausolée, izay nisamborana ireo mpiasan’ny Radio Fahazavana folo mianadahy, ankoatra ireo Mpitandrina sasany tao amin’ny HMF.

55 taona i Lôlot Ratsimba izao nandao ny tany izao. Namela mananotena sy kamboty mianadahy kely tsy ampy taona izy. Eny an-tranony eny Nanisana-Ambatobe ny razana amin’izao fotoana, hiala ao ny zoma maraina 26 jona 2020 ho avy izao, ary hoentina halevina any amin’ny fasan-drazany any Talatavolonondry ny andron’ny rahampitso io ihany.

Ny mpanao gazety dia hamangy ny fianakaviana anio alakamisy 25 jona 2020 amin’ny 3 ora tolakandro eny amin’ny tranony Ambatobe. Ny gazety Ny Valosoa Vaovao dia miara-miory amin’ny fianakaviany. Mandria am-piadana letsy Lolot!