25 Jona – Taratasin’ny mpamaky

Mbola atahorany ny MFM, indrindra moa ny anarana manandafy dia nofy ratsy mampangovitra ny fitondrana rajoelina efa miala aina io, mampahatsiahy azy zavatra maro.

Ny tena bazy na fototra politika mafy orina mbola misy marina eto Madagasikara dia mbola eo an-tanan’ny TIM sy ny MFM. Raha miampy ny HVM dia K.O teknika io fitondrana Rajoelina io.

Ny MAPAR izany dia mpitolona ‘doublon’ totoma, olona novidiana sy voakarama ny ankamaroany.

Aotra, zéro, tsy misy hery na inona na inona ao ambadik’io, resaka maro an’isa rivotra (majorité fantôme), ka izay no antony ampiasany herisetra miaramila isaky ny mihetsika.
Tsy matoky tena, matahotra hetsi-bahoaka milaza sy mitaky ny marina. Nanongam-panjakana anefa Rajoelina, noho izany tsy maintsy izay ihany koa no hialany eo amin’io fitondrana, ion a ho ela na ho haingana.

Bernard Rasolonjatovo