RMDM – Mitaky ny fametraham-pialàn’ny fitondrana ary hitory mikasika ny Rova

Edouard Tsarahame, filoha lefitry ny RMDM: Izahay ato amin’ny RMDM dia tsy matoky intsony ity fitondram-panjakana misy eto Madagasikara ity Ary tsy misy azo antenaina entina mampandroso an’i Madagasikara ny fomba entin’ny fitondram-panjakana mitantana ny firenena.

Koa mangataka izahay ny fametraham-pialàna haingana amin’ny fotoana rehetra.

Jafetra Randriamanantsoa, Loholona: Raha volam-panjakana madiodio no anamboarana ny Rova, dia aoka hisy ny mangarahara. Amin’ny maha-loholona ahy no itenenako fa tsy misy an’izany ny LFI 2019 (ndlr, Loi de Finances Initiale).
Mangataka ny fanjakana hitondra fanazavana. Raha sanatria dia sanatria izahay tokoa no tsy mahita dia azavao.
Milaza ny RMDM fa hametraka fitoriana amin’ny fangaraharahàna amin’ny fitantanana, amin’ny fampiasam-bola sy amin’ny zavatra rehetra natao tao amin’io Lapan’i Manjakamiadana io.