COVID-Organics – « Andry Rajoelina, mpanjakan’ny fafy lainga », hoy ny vahiny

Coronavirus : le président malgache, roi de l'intox Crédit Image : Henitsoa Rafalia / ANADOLU AGENCY / Anadolu Agency via AFP

Mijery sy miresaka ny filoha hajaina mamimbahoaka Andry Nirina Rajoelina daholo izao tontolo izao. Reharehany tokoa izany laza sy voninahitra izany raha izay kabary sy fandraisam-pitenena maro izay ary tratrany mihitsy izany tanjona izany. Misy indro kely anefa tamin’ity fa natao hoe mpanjakan’ny fafy lainga na “roi de l’intox ” ny filoha hajaina noho ireo vavao maloto maro afafy manodidina ny resaka tambavy COVID-Organics na CVO, izay tsy voaporofo aloha hatreto fa azo antoka eo amin’ny fiadivana ny valan’aretina coronavirus, hoy ny OMS.

Isan’ireo olona telo malaza indrindra erantany antsoina hoe “covid-people” izany Andry Rajoelina izany, ka miady lohany amin’ny profesora Raoult sy ny mpanefoefo indrindra eran-tany Bill Gates. Natao nanetriketrika tokoa mantsy ny fampahafantarana ilay tambavy CVO fanefitra sy fitsaboana ny coronavirus ny alahady 20 aprily. Teo dia efa tsy dia nitovy hevitry ny mpikaroka tao amin’ny IMRA sy ny filoha, hoe fanefitra sa fitsaboana, izay lasa resabe, dia lasa raokandro nohatsaraina na “remède traditionnel amélioré” (RTA). Fa ny vondrona siantifika manerantany aloha dia nilaza fa tsy mety vita ao anaty fotoana fohy izany ny andrana klinika tena manaraka ny fenitra iraisampirenena izany. Dia niampy indray koa ny vaovao resabe navoakan’ny haino aman-jerim-panjakana momba ilay bresilianina nanao faminaniana fa hanavotra izao tontolo izao i Madagasikara, vaovao izay nozarain’ny filoha tamin’ny fesibokiny. Dia nolazaina koa fa manafatra CVO ny firenena afrikanina maro, dia tadiavin’ny firenena mandroso sakanana. Izao dia misy indray ny vaovao aely fa nankatoavin’ny OMS ny CVO, izay vaovao nolavin’ny OMS avy hatrany.

Tsikaritra fa hadedahana sy fisehosehoana ho mahavita azy no betsaka eo amin’ny ataon’i Andry Rajoelina fa tsy misy tena fibanjinana ny vahoaka, tsy misy paikady matotra iaraha-midinika, mazava, mangarahara entina hiadiavana ny valan’aretina. Hany ka ny sisa atao dia hazakazaka amin’ny famoronana vaovao hafa foana hanaromana ny diso sy tsy mety rehetra no atao vaindohandraharaha. Raha nisy hatrany amboalohany ny fifampiresahana sy fifampidinihina tamin’ireo hery velona rehetra dia hafa ny fomba fandraisana anjara sy fiadivana tamin’ity valan’aretina ity ary nisy kokoa ny fiaraha-mientana, saingy araky ny filazan’izy ao an-dapa ao aloha dia izy no mitondra izao ary asehony fa vitany irery io, ka dia mitazana sy mitsikera ireto mpamboly olana sy mpitady fahavalo sisa no azo atao.

Eto dia mbola lazaina ihany koa fa voafehy ny valan’aretina kanefa dia hita izao fa mitombo ny antontanisan’ireo marary sy maty, na dia efa amboamboarina sy afenina ny marina. Efa tandra vadinkoditra ilay lainga sy hosoka izay niseho tamin’ireo fifidianana telo nifanesy, ka mbola mitohy hatramin’izao raha tsy hilaza fotsiny ny amin’ny resaka fanampiana.

Hitondra antsika aiza àry ity mpanjakan’ny fafy lainga ity? Efa avy indray koa ny tsindrona ka ho hita eo indray ny fafy lainga manaraka.

Lanzelo

Audio RTL 29 mai 2020

https://www.rtl.fr/actu/international/coronavirus-le-president-malgache-roi-de-l-intox-7800560054

https://factuel.afp.com/loms-va-aider-madagascar-tester-la-tisane-covid-organics-mais-ne-la-pas-homologuee

https://www.lemonde.fr/afrique/article/2020/04/22/a-madagascar-le-lancement-d-un-remede-a-l-artemisia-contre-le-covid-19-suscite-la-polemique_6037447_3212.html