AZ TV – Fidèle Razara Pierre – zoma 29 mey – Rova, coronavirus, solika, sekretera zandary mandrefy solombavambahoaka

Antenimierampirenena – CCI alakamisy 28 mey – fihaonana tamin’ny ministry ny fiarovam-pirenena, ny ministry ny fitsarana, ny ministry ny filaminana anatiny, ary ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandary. Niakatra ny feo ary niato ny fivoriana. Nanao vavabe ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandary nanenjana fiteny tamin’ny solombavambahoaka ho mpiray tsikombakomba amin’ny dahalo.

Fanehoan-kevitry ny filoha Marc Ravalomanana momba ny fanarenena sy fananganana ao amin’ny Rovan’i Manjamiadana sy ny fomba fitantanan’ny fitondrampanjakana ny ady amin’ny coronavirus.

Tranga any Toamasina – Fisamborana ny sojaben’ny sampampianarana fitsaboana ao amin’ny oniversiten’i Toamasina, noho ny fanehoany ny heviny mikasika ny COVID-Organics, izay tsy mifanentana amin’ny tadiavin’ny fitondram-panjakana .

Vidintsolika – Fita-bitro ataon’ny fitondram-panjakana, trosa 150 miliara ariary voafafa tamin’ny jiona 2019 no lazain’ny praiministra fa mbola iny trosa iny indray no mbola miverina ankehitriny. Don-dresaka 23 jiona 2019 https://youtu.be/7GTihzIwTrQ