Andry Rajoelina, vendrana ara-tantara sa mody vendrana?

Miala kely amin’ny fisehosehoana ara-pahasalamana ny filoha hajaina mamim-bahoaka dia mivadika kely mihezaka mandahatra ara-tantara indray, ary entin’ny fankahalàna mihoa-pampana ka nilaza tamin’ny fandraisam-pitenena teo amin’ny haino aman-jerim-pirenena ny alin’ny alahady 30 mey fa mpanimbazimba namindra ny razana tao anaty Rova i Marc Ravalomanana. Koa entina eto ny fanazavana raha tany ity ka mba tafiditra anaty ny atidohan’ny filoha hajaina sy ireo mpanaradia azy.

Fahiny, rehefa miamboho (maty) ny mpanjaka dia eny Ambohimanga no afenina ny razana sasany fa tsy ao anaty ny Rovan’i Manjakamiadana. Nisy ny mpanjaka izay nilaza fa eny Ambohimanga izy no afenina rehefa miamboho satria vohitra masina izay tiany, fa i Gallieni no namindra azy tao amin’ny Rova hanimbazimbaina ny hasiny. Rehefa tonga teo ampitantanana ny firenena i Marc Ravalomanana, dia niezaka namerina izany hasina izany ka nahatonga ny famindràna ireo razana hahita indray ny toerana mendrika azy.

Andro hariva na alina no “fanafenana” ireo mpanjaka rehetra eto amintsika. Ny tantara no milaza izany (Tantaran’ny Andriana, P. Callet): “… Dia nafenina ao amin’ny tranomasina ao Mahandrihono, avaratr’Andriambelomasina Andrianampoinimerina. Alina no nanafenana azy homam-bary ny olona. Alaina ohatra amin’ny masoandro raha hariva milentika maty masoandro, fa andriana manjaka izy ka alaina ohatra amin’ny masoandro, izany no nanafenana azy alina”. (p.1058)… “… Ary nony hariva efa tsy hahita-mitsinjo, dia nafenina Radama mpanjaka. Ary dia nalefa ny tafondro sy ny basy natao tsy misy laniny…” (p.1128)

Nalaina avy eny Ambohimanga nafindra teny anaty Rova ireo razana Mpanjaka. Ny antony, araka ny fihevitr’i Rasanjy, ilay malagasy voalohany namadika tanindrazana (andao atao hoe raiben’ny fozaorana) dia ireo no nitazona ny herin’ny Menalamba. Nafotetaka tamin’ny tany ireo razana tsy nasiana Hasina (sary).

Koa iza àry no tena mpanimbazimba ny velona sy ny maty eto? Havendranana ara-tantara ve no asehon’ny filoha sa fanahy iniana mifono tetika maizina toy ny fanaony?

Lanzelo

Notsongaina tao amin’ny FB Téø Scofield
https://www.facebook.com/groups/1428458590722079/permalink/2752589148309010/