Marc Ravalomanana – Mampahafantatra ny zavamisy : Rova, vono sy amboletra any Atsimo, coronavirus, toe-karena

Fandaharana manokana MBS TV niaraka tamin’i Nadia Raonimalala

Rova
Nandeha nijery imaso teny an-toerana androany 29 mey ny tena zavamisy teny amin’ny Rovan’i Manjakamiadana ny filohan’ny RMDM Marc Ravalomanana. niaraka tamin’ny solombavambahoaka sy loholona.

Gaga sy talanjona ary diso fanantenana tanteraka ny filoha Marc Ravalomanana fa tsy ny famerenana ny Rova no hita maso fa fananganana foto-drafitrasa vaovao, dia ilay Colisée. Nambarany fa tsy hita intsony ny maha-vakoka azy fa hoatrany hotely izy amin’izao. Ny rindrina nasiana temotra, nasiana « carreaux », misy « ascenseur », natao mamirapiratra fa tsy manome mihitsy ny endriny teo aloha maha-vakoka malagasy azy. Niova tanteraka ny endrika misy ny fananganana vaovao, natao « béton ».

Zavatra hafa no handrosoana fa tsy ny vakoka no kitikitihana. Raha te-hikitika ianao dia avereno amin’ny laoniny, izay no maha-vakoka ny vakoka.

Tsy fahalalàna ve no anton’izao, sa fampisehoana fa manan-katao, fa tokony mandinika tsara ny tantara sy miaraka amin’ny olona mahay, dia mamerina ny hendriny teo aloha fa tsy manorina foto-drafitrasa vaovao.

Noho ny ambopo maha-Malagasy dia mitaky izy ny hamindràna io foto-drafitrasa io, izay azo esorina, azo afindra tsara, hoy izy. Tsy misy manakana ny ambopon’ny fitondrana hanorina foto-drafitrasa vaovao fa tokony any amin’ny toeran-kafa.

Vono sy amboletra any Berary Ambovombe Androy

Fifandirana, fialonana no misy eo amin’ny ben’ny tanàna sy ny solombavambahoaka.

Tsy nisy ny fanajana zon’olombelona, narodana amboletra ny trano, notifirin’ny mpitondra filaminana tamina habibiana ny lehilahy iray teo anatrehan’ny prefe ary notaritina rehefa maty. Tsena kely ho atsangana no namoizana ain’olona telo.

Ny mpitondra dia tokony mampiseho ohatra tsara. Rehefa mahita seho tahak’izany ny olona dia maka tahaka ary tsy mahagaga avy eo ny tsy fandriampahalemana.

Tsotra ny fifehezana izany, dia ny manao modely. Ary amin’ilay fihibohana, tokony asiana mangarahara ny fanampiana.

Coronavirus

Tsy mangaraharaha ny fitantanana ny ady amin’ny coronavirus. Ny solombavambahoaka any Toamasina efa milaza fa efatra no maty, nefa ny roa ny isa ofisialy avaokan’ny fitondrana.

Tsy manaraka ny fepetra fihibohana ny olona noho izy tsy manan-kohanina : mpivarotra amoron-dalana, fianakaviana miaraka amin’ny ankizy tsy manan-ko hanina, mpitondra fivavahana, mpanao asa tanana madinika, ireo 82% any ambanivohitra tsy afaka mitondra ny vokatra hiakatra intsony noho ny barazy.

Mpitondra legioma any Toamasina asaina miverina, mpitondra razana asaina miverina kanefa olona hamoaka fiara navela handalo rehefa nisy baiko avy any ambony.

656 no mitondra ny aretina, ka ho sahin’ny mpitondra ve amin’ny alahady no hampiato ny fihibohana? Ary raha tohizina dia aiza ny enti-manana ho an’ireo olona mihiboka ? Mety misy koa ny kajikajy politika hoe andao ho tohizina dia amin’izay milamina amin’ny fanomanana ny « 26 jiona ».

Tsindrona – Tsy mbola misy porofo siantifika fanefitra amin’ny coronavirus. Andrankandrana no betsaka eto, nefa aina no tsaboina sy arovana. Na ny manampahaizana momba ilay izy aza tsy sahy mamaly mivantana ny fanontanian’ny mpanao gazety. Araka ny lalampanorenana dia tsy maintsy ifanarahana raha hanaovana andrana fitsaboana.

Toe-karena

Tsy maintsy jerena ireo mpandraharaha satria ireo no mampiasa olona. Saingy ho an’ny mpanao politika dia ny ambopo no betsaka, izay no mahavoa azy. Tsy mety apetraka ery amin’ny sisiny fa hoe izaho irery no manao an’ity fa aleo entiko. « Ento any ny anao ! »

Hafatra

Mangataka ny Fanahy Masina isika hiasa amintsika rehetra eto Madagasikara hilaza ny marina. Rehefa milaza ny marina isika, dia mandeha amin’ny mangarahara.

Ho an’ny fitondrana malagasy, fahadiranovana ny vahoaka, mba jereo izy.

Nangonin’i Lanzelo

Filoha Marc Ravalomanana, nitsidika ny Rovan’i Manjakamiadana, nijery ny zavamisy marina.