MBS – Dinika – Arphine Rahelisoa, talen’ny famoahan-gazety Ny Valosoa Vaovao

(version française ci-dessous)

Noraisin’i Germain Nomenjanahary hivahiny ao amin’ny fandaharana Dinika i Arphine rehefa tafavoaka ny fonjan’Antanimora, izay nitanana azy nandritry ny iray volana.

Mizara ny fotoana sarotra nolalovany Arphine, mijoro vavolombelona mitantara ny fahasarotan’ny fiainana any am-pigadràna. Mitantara ny antsipiriany ny tenany nanomboka ny fanadihadiana teny amin’ny BC ( Brigade Criminelle) Anosy ka hatramin’ny nampidirana azy tany Antanimora, notronin’ireo namana mpanao gazety maro. Nanazava koa izy momba ny tsy naha-tompon’andraikitra azy tamin’ny famoahana ny lahatsoratra tao amin’ny tranonkala.

Notsindriany manokana ny fanaparitahana vaovao diso mikasika ny tsy maha-mpanao gazety azy izay novoizin’i Fanahimanana Tiaray, talen’ny serasera ao amin’ny ministera.

Nisy ny hafatra nentin’i Arphine manokana mifandraika amin’ny tontolon’ny figadrana:
– mba ho jerena ny lafiny ara-pahasalamana hitsinjovana ny fotoan-tsarotra, ohatra tokony hisy ny “ambulance”: nisy tranga iray izay nitaky fitondràna gadra tany amin’ny hopitaly noho ny “asthme”, nangatahana tsipaipaika ny gadra hahafahana mitondra ny marary, ary rehefa voaangona ny vola dia nafarana ny fiara, saingy vao tsy tonga tany amin’ny hopitaly ilay marary dia maty teny an-dalana;
– mba jerena akaiky ny LP (ndlr, liberté provisoire): nampanantena ny fitondram-panjakana handinika akaiky ny LP faobe; sarotra ny fifandraisana amin’ny fianakaviana; misy ny miandry fitsaràna efa ho roa na telo taona, miaraka amina taiza kely;
– ho an’ny olompirenena mpitory, raha mba azo ifanamboarana dia tokony ezahina satria sarotra ny fiainana any am-ponja: misy noho ny “brushing” iray no mampigadra mpianaka roa, maro ny mpiasa an-trano nangalatra vola kely.

Fisaorana no atolotr’i Arphine:
– ny mpitondra
– ny mpanohitra
– ny mpanao gazety
– ny olompirenena
– ny mpanao fesiboky
– ny fiarahamonim-pirenena
– ny iraisampirenena
– ny MBS
Nangonin’i Lanzelo

(traduction libre)
Invitée de Germain Nomenjanahary dans l’émission du dimanche Dinika sur la chaîne MBS, Arphine Rahelisoa, directrice de publication du journal Ny Valosoa Vaovao revient sur les péripéties ayant conduit à sa mise en détention et les expériences vécues dans la prison d’Antanimora qui aura duré un mois.

Elle raconte les différents moments depuis son interpellation pour un interrogatoire à la Brigade Criminelle (BC) d’Anosy, suivi d’une comparution immédiate au Parquet le lendemain. Jusqu’alors, elle n’avait pas eu d’inquiétude particulière, ne se sentant pas responsable de la publication citée et parue sur le site web éponyme dont elle n’est pas responsable. Expéditif, le procès décide d’une mise sous Mandat de Dépôt (MD) et Arphine est conduite à la prison d’Antanimora.

Arphine dénonce la tentative de désinformation sur sa qualité de journaliste orchestrée par le directeur général du ministère de la communication, Fanahimanana Tiaray.

De son expérience vécue au sein de la prison d’Antanimora, Arphine fait part de quelques messages:
– aux responsables des conditions de santé pour la prison d’Antanimora, d’examiner les mesures pour cas grave: un cas d’asthme a nécessité une cotisation entre détenus afin de pouvoir transporter le malade à l’hôpital, une fois la somme collectée et le véhicule mis à disposition, le malade a succombé avant d’arriver à l’hôpital;
– d’examiner également les mesures promises de liberté provisoire (LP): les visites familiales sont devenues particulièrement difficiles; des femmes sont en attente de jugement depuis 2 ou 3 ans, dont certaines avec des nourrissons;
– aux citoyens plaignants, d’envisager autant que possible des solutions à l’amiable car les conditions en prison sont rudes; certaines s’y retrouvent pour une affaire de “brushing”, ou pour des employés à domicile, coupables de larcins.

Arphine tient à remercier:
– les responsables du pouvoir
– les personnes de l’opposition
– les journalistes
– les citoyens
– les facebookers
– les sociétés civiles
– les personnes à l’international
– MBS