COVID-Organics na CVO – Nahafaty vehivavy 42 taona tao Toamasina ny 24 mey 2020

Nisotro ny COVID-Organics na CVO ary nanaraka ny toromarika nomen’ny fitondram-panjakana ity vehivavy 42 taona monina ao Toamasina ity hisorohana ny valan’aretina coronavirus na COVID-19. Zavatra hafa anefa no nitranga fa fanaintainana no nahazo azy nandritra ny herinandro ary niafara tamin’ny fahafatesana.

Nijoro vavolombelona ny rain’ny maty ary nitantara ny zava-nisy.

Nihinana nanao “traitement” an’io CVO io ry zareo mianakavy tao. Ary rehefa nahalany teo amin’ny fito tavoahangy ny zanany vavy dia nanakotsako ny lelany, araka ny filazany, ary dia najanony ny fisotroana CVO. Ny andro faha-efatra, nitombo ny aretina ary dia notsaboin’ny dokotera mpanara-maso. Ny andro zoma dia nanapa-kevitra ny dokotera fa ahiditra hopitaly. Nolazaina àry fa diabetika ilay vehivavy ka tsy tokony hisotro CVO. Dia namoy ny ainy ny alahady 24 mey.

Ny hevitro manokana raha io CVO io dia tsy tokony hihinankinam-poana. Nahitàn’ny fianakavianay faisana ilay izy”, hoy i Badetsy, dadan’ny maty.

Nitranga ity ny zavatra nahiana mikasika ny fampisotroana ny tambavy COVID-Organics na CVO izay nindrahindrain’ny ny filoha hajaina Andry Rajoelina fa misoroka sy mitsabo tsy ankanavaka ny aretina coronavirus na COVID-19. Voaporofo ankehitriny fa misy izany ny toe-pahasalamana izay tsy mifanentana amin’ny fampisotroana azy.

Tsy mba nisy ny fampitandremana tany am-boalohany momba ny fampisotroana ity tambavy ity ary goragora ny fomba nizaràna azy teny amin’ny toerana sasany, toy ny tazana tamin’ireny siny be mahazaka 200 litatra ireny. Tsy nisy fampitandremana ny fisotroan’ny ankizy mpianatra izay mety marefo na noana fa fanerena amboletra hisotro ny tambavy no natao. Toa zary izay hampandeha ny tambavy fotsiny no nobanjinin’ny fitonfram-panjakana.Satria ve misy tombontsoana mpandraharaha ao?

Raha tena miaro tokoa mantsy ity CVO ity, dia tsy ilaina intsony izany ny fepetra fiarovana toy ny aro vava, ny elanelana, ny fihibohana; tsy ilaina intsony ny fepetra fanidina ireo tsena.

Atao kilalao àry ve ny aim-bahoaka ho tombontsoan’olom-bitsy?

Lanzelo