Internet Starlink – Na aiza na aiza manerantany – Hanomboka afaka enim-bolana ny fanandramana

Nahatratra 60 ny isan’ny satelita nalefan’ny orinasa SpaceX izay tantanan’i Elon Musk, eny amin’ny habakabaka tamin’ity herinandro ity, ary mitotaly 420 ankehitriny.

Tetikasa goavana no tanjon’ny Starlink, ka satelita mahatratra 42.000 isa no handrakotra ny tany iray manontolo hahafahan’ny olona rehetra na aiza na aiza misitraka ny internet. Ny andrana amina olona vitsivitsy ho singanina dia efa hanomboka afaka telo volana, ary hisokatra amin’ny daholo be afaka enim-bolana amin’ny endrika fanandramana na bêta.

Araka ny toerana misy ny tsirairay dia azo tarafina eny amin’ny habakabaka mandritra ny alina toy ny kintana maro mitandahatra manao tsipika ireo andiana satelita ireo.

Azo jerena amin’ny rohy manaraka eto ny andro sy ora azo itarafana izany eny amin’ny habakabaka. Ka ho an’Antananarivo ohatra dia ny 28 aprily amin’ ny 6 ora sy 9 minitra, ary haharitra 6 minitra.

Lanzelo

https://findstarlink.com/#882;3