I-BC News – COVID – OMS – Fidèle Razara Pierre

#COVID-19 #OMS #IBCNews
Audio

— o —

Nosinganina tao amin’ny fandaharana

Vahinin’i Santatra Ramananarivo ao amin’ny I-BC ny solombavambahoaka Fidèle Razara Pierre sady tomponandraikitra voalohany amin’ny serasera ao amin’ny antoko TIM, mitsipaka ny fanambaràna tsy marina na ‘FAKE’ noforonina sy naparitaka teny amin’ny serasera Facebook tamin’ny alalan’ny ‘kaonty fako’, entina anaratsiana ny antoko Tiako I Madagasikara sy ny fivondronan’ny Mpanohitra ary ny filoha Marc Ravalomanana. Tafiditra ao anaty ny paikady politikan’ny adversera tsy mahazaka ny zavatra ataon’ny mpifanandrina aminy. Tsy zakany ny mieritreritra fa ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana dia nanoratra tany amin’ny OMS tamin’ny fomba mahitsy, ary misy fiantraikany amin’ny fanapahankevitra noraisin’ny fitondram-panjakana. Io fanambaràna ‘Fake’ io dia diso tanteraka ary tsy avy amin’ny filoha Marc Ravalomanana. Fa ny tararatasy nalefa tany amin’ny OMS kosa dia tena nalefany, ary azo amarinina, no efa nahazoana valiny.
Ny olana dia natao an-katerena ny fanomezana ny fanafody ka nahatonga ny filoha Marc Ravalomanana nandefa ny taratasy. Natao tsy maintsy mihinana ny fanafody ny mpianatra, raha tsy izany alefa mody. Fa maninona ilay andrana eo amin’ny vokatsoa sy ny fahombiazan’ilay fanafody, izay tsy mbola tody hatramin’ny farany no efa terena amin’ny zanaka Malagasy, lasa atao ‘cobaye’. Fanapahan-kevitra politika ny fampirotorotoana ny andrana fa tsy avy amin’ny IMRA, izay nilaza fa mbola ao anaty ‘observation clinique’. Ambonin’izany dia tsy ‘Bio’ ny fanafody araka ny soratra hita eo amin’ny tavoahangim-panafody ary tsy ny IMRA no mamokatra azy.
Ny lalampanorenana ao amin’ny andininy fahavalo dia mandrara ny fanaovana an-tery ny olona amin’ny andrana ara-tsiansa na ara-pitsaboana, raha tsy mahazo fankatoavana avy aminy. Rehefa misafidy ny olona mazoto hisotro, inona moa ny olana? Fa raha tsy mazoto, inona àry no anerena azy? Ny mampalahelo dia atao sakana tsy andrantoan’ny zana-bahoaka fahaizana any am-pianarana ilay izy. Ny sekolim-panjakana dia tsy an’ny mpitondra, tsy an’ny ‘proviseur ny lycée’, tsy an’ny ‘directeur EPP’ fa an’ny vahoaka ka tsy tokony antony mahasakana ny hanovozanao ny fahalalàna ny tsy fanekenao.
Eto dia hoatrany voan’ny fandaikiraikena ilay vahoaka dia mila tairina. Rehefa nanomboka nizara io COVID-Organics io ny fanjakana dia hoatrany tapitra ilay fanampiana ara-tsosialy. Aiza koa ilay ‘carte magnétique’? Ny vahoaka no mila miteny, dia ampian’ny solombavambahoaka, miteny any amin’ny andrimpanjakana. Isika tsy tokony matory ary tsy tokony ho voan’ny fandaikiraikena fa mila mijery , dia mila mamaritra hoe inona ity zava-mitranga ity, inona no vokatsoa, inona no vokadratsy.