COVID-19 – Fitondrana Rajoelina – 444,1 M$ – Fanalàna tale mampiahiahy amin’ny fangaraharàna

#COVID-19 #Madagasikara #FMI #BanqueMondiale #BAD

Ao anaty ny vanim-potoana fangatahana mangarahara eo amin’ny fitantanana ny fanampiana, dia nisy ny fanapahankevitra ny zoma 17 aprily nandritry ny filankevitry ny ministra ny amin’ny fampiatoana tale roa tompon’andraikitra eo amin’ny fitantanam-bola, dia ny Tale jeneralin’ny “Contrôle Financier” sy ny Tale misahana ny “Comptabilité Publique”.

Raha ny fahitàn’ny olompirenena azy hatramin’izao dia tsy misy ny mangarahara ary tsy mipàka any amin’ny vahoaka ny fanampiana. Manjaka ny kiantranoantrano sy ny halako bika tsy tiako tarehy. Ny “Loharano” izay idedadehan’ny filoham-pirenena dia tsy misy tokontaniny fa manao izay tiany sy danin’ny kibony ny eo anivon’ny Fokontany, toy ny eny Fenomanana Mahazoarivo, na Ampahibe, na Anosizato Andrefana Raha tsy haka ohatra amin’izay fotsiny.

Ny faratampony no ilaina hanome modely, izay vao afaka mitaky izany amin’ny ambaratonga ambany rehetra. Ny zavamisy ankehitriny dia terena foana amin’ny adalan’ny serasera ity fitondrana ity vao mamoaka vaovao, izay tokony hivoaka ho azy tsy mila anontaniana nefa raha tena mpandala ny mangarahara tokoa ary mikatsaka ny tombontsoam-bahoaka tsy ankanavaka.

Miovà amin’izay re ianareo ao an-tampon’ny fitondràna ary meteza ho modely fa mijaly ny vahoaka amin’izao fitantanana gaboraraka izao.

Lanzelo