COVID-19 – Rajoelina – 8 Aprily – Atomboka ny « digitalisation »

TVM – 8 aprily 2020

Mpilaza vaovao: Amin’ity fananganana komity Loharano ity ve, ny faritra misy fihibohana no anombohana azy sa ny faritra rehetra dia ananganana daholo?

Ny Filoha hajaina: Ny faritra hananganana azy aloha dia faritra misy fihibohana, Antananarivo, Toamasina, Fianarantsoa.

Ny zava-dehibe ho atombotsika ary nahazoana famatsiambola avy amin’ny « Banque Mondiale » dia ny resaka « « DIGITALISATION » eny anivon’ny fokontany.

Manomboka amin’ity herinandro ity, ny fokontany rehetra misy ireo faritra telo ireo dia alaina atao anaty « base de données » ny isaky ny tokantrano… Ho vatsiana « ordinateur » daholo ny fokontany ary ny « opérateur de saisie » eny anivon’ny ministera rehetra, hanampy ny fokontany hanao io « base de données » vaovao io.

Ny olona rehetra isan-tokantrano dia omentsika « carte magnétique » avokoa miaraka amina « code-barre ».

Ny olona tena sahirana dia omena 100.000 ariary amin’ny tafo 100.000.

Izao zavatra rehetra izao dia tokony ao anaty enim-bolana no anaovana azy, fa izaho dia nanome toromarika amin’ny olona rehetra ary mivory tsy tapaka, hoe tsy maintsy vitaintsika ao anaty ny FOLO ANDRO na latsak’izay àry.

‘https://youtu.be/jzUHNTQO1NY?t=1208