Malagasy any Frantsa Vaky ny ady…

(Tia tanindrazana, Marigny A.)

Hetsika fanaon’ireo teratany Malagasy monina sy mila ravinahitra any Eoropa ny “Rencontre Nationale Sportive” (RNS), fifaninanana ara-panatanjahan-tena tontosaina isaky ny fialantsasatry ny Paska any Frantsa.

Tamin’ity taona ity dia niharihary ny ady nifanaovan’ireo samy tompon’andraitry ny RNS. Vaky ny ady teo amin’ny mpikarakara ka nitriatra ny komity mpanatanteraka nasionaly (CEN), izay rafitra mitantantana ireo fikambanana rehetra mandrafitra ny fanantontosana ny RNS. Nametram-pialana mihitsy ny filohany, Ramanana Rahary Olivier mihitsy izany. Niforona tampoka ny fikambanana vaovao CSM (Collectif Sport Malagasy), izay natsangan’ireo tsy manaiky intsony ny fomba fitantanana misy hatramin’izay. Ny tsy fisian’ny mangarahara sy ny tsy fisian’ny fahamarinana ary ny tsy fahitana taratry ny firaisankina tao amin’ny RNS an-taonany maro no tena antony izany fihetsika izany.

Saika nisy hetsika ara-panatanjahantena roa samihafa be izao nomanin’ny Diaspora Malagasy ny sabotsy hatramin’ny alatsinainin’ny Paska lasa teo iny. Ny CEN dia nitaona ny Malagasy ho tonga tao Cergy Pontoise (Région Parisienne) kanefa ny CSM kosa dia nanasa azy ireo ho any Bordeaux.

Na teo aza ny fanelanelanana nataon’ireo Malagasy vitsivitsy tany an-toerana, dia samy niziriziry tamin’ny heviny ny roa tonta. Marihana fa tsy nisy ny hetsika ara-panatanjahan-tena noho ny fametrahana fahamehana ara-pahasalamana any Frantsa.

https://tiatanindrazana.com/pages/modules.php?id=42915