OJM – Raharaha Arphine – Mbola mamahan-dalitra ihany ny MCC

Raharaha Arphine: Mbola mamahan-dalitra ihany ny MCC

Eo anatrehan’ny fanamelohana sy tsy fanekena ny fitànana am-ponja vonjimaika ny mpanao gazety RAHELISOA Arphine – araka ny fanambaran’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara (OJM), ny Fikambanan’ny vehivavy mpanao gazety mivondrona amin’ny Union Internationale de la Presse Francophone (UPF) sy ireo Fiarahamonim-pirenena mivondrona eo anivon’ny Plate-Forme ROHY ary ireo Fiaraha-monina iraisam-pirenena toy ny Amnesty International – dia manamarika ny Biraon’ny Filan-kevitry ny OJM fa:

  1. Kobokoboin’ny marina ny Ministeran’ny Serasera sy Kolontsaina (MCC) ka nilaza tsy nanontaniana. Tsy nisy nilaza mihitsy fa izy ireo no nitory an’i Arphine RAHELISOA kanefa dia efa intelo izay ny MCC no nivoaka tamin’ny fahanginana ary niezaka nanadio tena hatrany, amin’ny famadibadihan-dresaka, hamiliviliana ny marina sy hilalaovana ny raharaham-pitsarana (1).
  2. Tsipihinay hatrany fa mpanao gazety RAHELISOA Arphine satria izay sata maha-mpanao gazety azy izay no nanaovana fanadihadiana azy, na teo anatrehan’ny polisy mpanao famotorana na teo anoloan’ny Fampanoavana. Navadiky ny MCC indray izany ary nolazainy fa tsy misy hidirany amin’izay maha-mpanao gazety azy ny heloka hanenjehana azy. Averina etoana fa : vaovao nivoaka tamin’ny site web an’ny Valosoa Vaovao no niteraka ny fanenjehana azy satria izy no Talen’ny Famoahana io gazety miseho in-telo isan-kerinandro io. Teren’ny MCC indray ho « post » natao tao amin’ny « pejy Facebook » no anton’ny fanenjehana (2)
  3. Tsy ekena ny fanambaniana ny fianakaviam-be iraisam-pirenena izay misahana manokana ny fiarovana ny zon’olombelona sy ny mpanao gazety ataon’ny departemanta iray ao anaty governemanta toy izany. Dia mieritreritra ve ny MCC sy ireo irakeliny, izay mihevi-tena ho hany manana ny marina sy mahalala manokana ity raharaha ity, fa tsy nanao ny fanamarinana samihafa (recoupement) ireo fikambanana ireo izay vao naneho ny heviny? Sa rehefa hevitra tsy mety sy manohintohina ny Ministra sy ny ekipany dia lazaina fa diso?

Manaratsy ny fijerin’izao tontolo izao ny fitondram-panjakana manontolo ireny nataon’ny Ministry ny Serasera sy Kolontsaina izay manameloka azy ireo ireny, ary mila mandinika tsara ny filoham-pirenena momba ity MCC ity. Tsy ny lainga tsara lahatra miverina matetika efa zary lasa fanaon’izy ireo tato ho ato no hampisy fitoniana sy hahombiazan’izao fitondrana izao amin’ny ezaka imatimatesany.

Androany, faha 15 aprily 2020
Ny Filohan’ny OJM
RAKOTONIRINA Gérard

(1) Ny fandaharana nataon’ny Tale Jeneralin’ny Serasera (MCC) ny 14 aprily 2020 tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina iray
(2) Ny filazan’ny tomponandraikitra misahana ny Cybercriminalité ao amin’ny MCC tao amin’ny pejy facebook, ny 5 aprily 2020
(3) Taratasy navoakan’ny Tale misahana ny fifandraisana amin’ny daholobe (DRP) MCC, 11 aprily 2020