Antanimora – 15/04/2020 – Hafatra – Message – Arphine – Hafatra an-taratasy avy amin’ny mpanao gazety Arphine Rahelisoa

15 aprily 2020 : Hafatra sy fanambarana avy eny Antanimora avy amin’ny mpanao gazety Arphine RAHELISOA
(Version française, ci-dessous)

Antanimora 15 aprily 2020

Miarahaba anareo rehetra ny tenako tratry ny PASKA ary mirary soa anareo sy ny fianakavianareo tsy ankanavaka ho tahian’ny Tompo hatrany.
Voaraiko avokoa ny firariantsoa sy vavaka nataonareo izay nampahery ahy tanteraka izany. Tsy ny FANAGADRANA ahy aty amponja no mahalatsaka ny ranomasoko isan’andro fa ny mahita ny firaisankina izay asehonareo amiko, na kely sy bitika aza ny tenako.

Ho anareo namana mpanao gazety rehetra, tena mankasitraka e! Manomboka amin’ny biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety OJM, tarihan’ny filohany Gerard Rakotonirina. Eo koa ireo fikambanana toy ny Femme Journaliste sns… izay nanotrona hatrany nanomboka teny amin’ny BC Anosy, Tribonaly sy tety ANTANIMORA. Tsy mora leiretsy ny adintsika hisian’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety eto MADAGASIKARA. Koa lalana mety hitondran’Andriamanitra hanehoana ny firaisankina tanteraka izao. Ho an’ireo MANENJIKA ahy koa dia tsy hanana alahelo aminareo aho na kely akory aza fa Andriamanitra mahita ny miafina rehetra. Ny fitondrana mandalo fa ny asantsika mitoetra hatrany.

Toy izany koa maneho fisaorana ireo mpiserasera rehetra aho na eto an-toerana na any ampitandranomasina. Mankasitraka fa tongan’ny zanako aty amiko ny fitakiana ataonareo sy ny fankaherezana.

Ho an’ny fikambanana iraisam-pirenena, fiarahamonim-pirenena ary ireo mpanao politika. Mankasitraka satria na kely sy bitika aza ny tenako dia nataonareo ho zava-dehibe ny fitakiana ny hamotsorana ahy TSY MISY FEPETRA.
Ho an’ireo olom-pirenena tsotra, fianakaviana rehetra miaraka mitaintaina amiko. Tsy maninona aho ary salama tsara, hakaro hatrany ny vavaka, satria ny vavaka manova zavatra.

Eto aho dia misaotra manokana ny antoko Tiako i Madagasikara TIM, tarihan’ny filoha Marc Ravalomanana. Tsy nataonareo ambanin-javatra ny tenako ary voaraiko avokoa ny fanampiana hita maso nataonareo. Homba anareo mandrakariva anie ny Tompo.

Eto koa ny tenako dia maneho fisaorana ireo Mpisolovava ahy izay tsy mikely soroka andro aman’alina mitady ny fomba rehetra araka ny lalàna hivoahako aty amponja. Ekena fa nolavin’ny Fitsarana avokoa ny fangatahana nataonareo nefa tsy atao mahakivy izany fa izay angamba no lalana tian’Andriamanitra aseho amintsika.

Eto am-pamaranana dia misaotra anareo rehetra ny tenako. Raha misy tsy voatonona dia hialako tsiny satria aty amponja ny tenako fa tsy mitovy ny any ambonin’ny TANY. Mankasitraka e!

Mbola mametraka ny fitokisako amin’ny FITSARANA mahefa ny tenako. Tsy ny tenako no handidy anareo fa ny feon’ny fieritreretanareo kosa no hibaiko anareo amin’izany.

RAHELISOA Arphine

— o —
(Version française, traduction libre par Lanzelo)
15 avril 2020 – Message transmis par Arphine Rahelisoa, directrice de publication du journal Ny Valosoa Vaovao depuis la prison d’Antanimora

Antanimora, le 15 avril 2020-04-15

Je tiens à vous adresser tous mes vœux de Pâques et je prie Dieu pour qu’il vous bénisse tous, vous ainsi que vos proches.

Tous vos vœux et les prières de soutien me sont bien parvenus et me donnent beaucoup de force. Si je fonds en larmes chaque jour ce n’est pas dû à la PRISON mais à la solidarité dont vous témoignez envers la petite personne que je suis.

A vous tous, amis journalistes, recevez toute ma reconnaissance. A commencer par le Bureau de l’Ordre des Journalistes (OJM) mené par son président, Gérard Rakotoniriina, l’association des Femmes Journalistes, et bien d’autres, qui m’ont assisté depuis la Brigade Criminelle (BC) Anosy, en passant par le Tribunal, et jusqu’ici, à la prison d’Antanimora.

Compagnons, notre lutte pour la liberté de la presse à Madagascar n’est pas chose facile. Dieu a peut-être tracé ce chemin afin que nous puissions témoigner de notre union parfaite. A ceux qui me POURCHASSENT, je ne garderai envers vous aucune rancune aussi minime soit-elle, car Dieu voit tout. Le pouvoir passe mais notre œuvre se poursuivra.

De même, j’adresse tous mes remerciements aux correspondants ici sur place et à l’étranger. Mes enfants m’ont fait parvenir vos revendications à mon égard et vos messages de soutien, et je vous en suis reconnaissante.
A toutes les entités internationales, les sociétés civiles et aux politiques, je vous suis reconnaissante car pour la petite personne que je suis, vous avez attiribué une grande importance à ma demande de mise en liberté IMMEDIATE.

A vous tous citoyens, à vous ma famille, qui vous inquiétez pour moi, je n’ai rien et je vais bien, élevez vos prières, car la prière change les choses.

Ici, je tiens à remercier particulièrement le parti Tiako I Madagasikara (TIM), conduit par le président Marc Ravalomanana. Vous ne m’avez pas négligé et toutes vos aides, palpables, me sont bien parvenues. Que le Seigneur soit toujours avec vous !

Ici, je tiens également à exprimer mes remerciements à mes avocats qui ne ménagent aucun effort et cherchent tous les moyens juridiques pour permettre ma sortie de prison. Il est vrai que toutes les demandes formulées auprès du Tribunal ont essuyé un refus mais cela ne doit pas nous décourager, car c’est peut-être la voie que le Dieu souhaite nous montrer.

Pour terminer, à tous, je vous remercie, et je présente mes excuses à ceux que j’aurais omis de citer, car je suis ici en prison et pas dans des conditions normales sur TERRE.

Je m’en remets à la JUSTICE souveraine. Je ne vous guiderai pas dans vos décisions mais seules votre âme et conscience le feront.

RAHELISOA Arphine