Paska – Marc Ravalomanana – Fiarahabàna sy fankaherezana ireo gadra politika sy voatazona am-ponja tsy fidiny

Paska : Fiarahabana sy fankaherezana ireo gadra politika sy voatazona am-ponja tsy fidiny rehetra koa, avy amin’ny Filoha Marc Ravalomanana :

Noho izao Fetin’ny Paska izao dia miarahaba sy mankahery anareo gadra politika sy voatazona am-ponja tsy fidiny rehetra koa aho sy ny ankohonako, noho ny famonjana tsy ara-drariny mihatra aminareo, mizaka ny tsy eran’ny aina amin’izao andro fety izao.

Jesosy Kristy ilay nandresy ny fahafatesana anie hitondra fandresena ho anareo amin’izao mahazo anareo izao ary izahay dia hanampy sy ho eo anilanareo hatrany, mitaky ny fanafahana anareo tsirairay avy tsy misy fepetra.

Raha mbola misy ny farany, tsy ho foana ny fanantenana.

Mahereza.

Homba antsika hatrany Andriamanitra.

Filoha Marc Ravalomanana