Paska – Fiarahabana sy fampaherezana ho an’ny mpanao gazety Arphine Rahelisoa avy amin’ny Filoha Marc Ravalomanana

Noho izao Fetin’ny Paska izao dia miarahaba sy mankahery anao aho sy ny ankohonako, na mafy aza ny hoentinao, noho ny famonjana tsy ara-drariny mihatra aminao, mizaka ny zavatra tsy natao.

Jesosy Kristy ilay nandresy ny fahafatesana anie hitondra fandresena ho anao amin’izao mahazo anao izao ary izahay dia hanampy sy ho eo anilanao hatrany, mitaky ny fanafahana anao tsy misy fepetra.

“Ary fantatsika fa rehefa nitsangana tamin’ny maty Kristy, dia tsy maty intsony Izy; tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana”. Romana 6: 9.

Ho Paska famonjena sy lavitry ny tahotra ho antsika tokoa ny nankalazaina androany.

Mahereza.

Homba antsika hatrany Andriamanitra.

Filoha Marc Ravalomanana