Andry Rajoelina – Nanome baiko hampiato ny fanenjehana mifandraika amin’ny “cybercriminalité”

Tia tanindrazana, Marigny A.

Mahery Lanto Manandafy “Tsy ny filoha no nanome baiko ireny fanagadrana ireny”

Omaly (ndlr, 10 aprily) no notanterahana ny fakàna am-bavany an’i Mahery Lanto Manandafy (MLM), tetsy amin’ny sampandraharaha misahana ny “cybercriminalité” tetsy amin’ny polisim-pirenena Anosy manoloana ny fitoriana momba azy voarain’ity sampandraharaha ity. Fitoriana napetraky ny DLC (Direction de la Législation et du Contentieux) eo anivon’ny primatiora. Voapanga ho naniratsira ny FFKM sy ny TVM moa i Mahery Lanto Manandafy. Taorian’ny fakana am-bava azy dia nalefa nody izy. Raha ny tafa fohy nataony tamin’ny mpanao gazety, dia nanambara i MLM fa vokatry ny fanaparam-pahefana nataon’ireo tompon’andraikim-panjakana izao fitoriana izao. “Eto aloha dia isaorako manokana ny Filoham-pirenena fa marina ny teniko omaly. Tsy tia korontana izy ary tsy izy no manome baiko ireny fanagadrana tsy amin’antony ireny. Mbola mangataka amin’ny filoha anefa aho hanafahana ireo olona heverina ho voatazona tsy ara-drariny any am-ponja, isan’izany ny mpanao gazety, Arphine Rahelisoa”, hoy ny fanazavany. Marihana fa nisintona ny fitoriany na nanao “lettre de désistement” ihany koa ny DLC eo anivon’ny primatiora. Fantatra ihany koa fa nanome baiko ny Filoha Rajoelina hampiato ireo fanenjehana mifandraika amin’ny “cybercriminalité” na heloka an’habaka.