COVID-19 – Nozaraina teny amin’ny fokontany ireo “bidons” hanampiana ny mponina hiady amin’ny coronavirus

Nanomboka omaly 6 aprily ny fizaràna ireo “bidons” fanasàna tanana nampanantenain’ny filohan’ny antoko TIM. “Bidons” telo isaky ny fokontany miaraka amin’ny savony no zaraina mba hanampiana ny mponina hiady amin’ny valan’aretina coronavirus.

Teto dia nidina teny amin’ny fokontan’Ivandry sy Ambodivoanjo ny depiote Fetra niaraka tamin’ ireo mpikatroka TIM nametraka ireo fitaovana. Ary tonga dia nampiasain’ireo mponina avy hatrany izy ireo.

Ny tanjona dia ny hanasoavana ny rehetra ary tsy anavahana firehana politika, na dia tsy tahak’izany aza no miseho amin’ny fizaràna fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana ho an’ny olona marefo.

Vaovao nangonin’i Lanzelo