Fampidirana am-ponja an’i Arphine – Melohin’ny HCDDED

HCDDE: “Haut Conseil pour les Droits de l’Homme, la Démocratie et l’Etat de droit” na “Fitsaràna Ambony ho an’ny Zon’Olombelona, ny Demokrasia ary ny Tany Tan-dalàna”

Mifanohitra amin’ny fepetra raisin’ny fitondrana amin’izao ady amin’ny valan’aretina izao ny fampidirana am-ponja an’i Arphine Rahelisoa (Arp Helisoa).

Mampahatsiahy ny fahefana mahefa ny Fitsaràna Ambony ho an’ny Zon’Olombelona, ny Demokrasia ary ny Tany Tan-dalàna manoloana ny fanapahan-kevitra noraisina tamin’iny fampanoavana iny.

Nanome ny heviny i Pierre Lenoble Navony, filohan’ny HCDDED:

Misy ny baiko nataontsika hoe ahena ny olona am-ponja. Nefa isika ity mampitombo ny olona any am-ponja. Sahaza ny famonjana azy ve ny zavatra navoaka tamin’ny gazety misy azy? Olona iray hetsy no navoaka tao anaty ny fonja noho ny fahatahorana ity aretina fifindrana ny aretina coronavirus ity. Nahoana isika amin’izao fotoana izao no mampiditra indray ny olona any?

Afangarontsika ny “état d’urgence sanitaire” sy ny “état d’urgence” – tout court. Ny “état d’urgence sanitaire”, tsy afaka mivezivezy ny olona, tsy afaka mamory olona, fa afaka mamoaka hevitra.

Vaovao nangonin’i Lanzelo