Voafitaka ve ireo mpivarotra 500 ao amin’ny tsena Pochard?

Nasaina nihiboka tany an-trano izy ireo efa herinandro izay. Kinanjo nandritra izay fotoana izay, nofefena tsy nisy fifampiresahana na fifampidinihana ny toerana fivarotana. Tapidalan-kaleha ireo mpivarotra madinika mitrosa sy mamelom-bady aman-janaka.

Maro amin’izy ireo no mampahatsiaro ny filoha Andry Rajoelina fa nisafidy azy foana tamin’ireo fifidianana maro nisesy izay niafara tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna. Ka efa vita ve hoy izy ireo ny nilavana anay dia tsipahana ny laka nitàna?

Manomboka tady hivoaka ny haratsiam-panahin’ny filoha fa tsy ampy ny ezaka avy amin’ny ekipa manodidina azy hanafenana izany. Mitombo araka izany ny hatezeran’ireo mitrongo vao omana, mitady rahampitso ny hoanina androany. Ny fanampiana ampanantenaina tsy tonga ary ny zara vilana koa etsy andaniny.

Anjaran’iza indray ny fitaka manaraka?

Nangonin’i Lanzelo