COVID-19 – Miandry ny fiantsoana mazava ny depiote TIM – Todisoa Andriamampandry

Solombavambahoaka Todisoa Andriamampandry

Nanolotra paik’ady hiadiana amin’ny CORONAVIRUS ny antoko TIM ary miandry ny lamin’asa avy amin’ireo mpitondra ny Filoha Marc Ravalomanana sy ireo mpiara miasa aminy, amin’izay fomba entina hiadiana miaraka amin’ny aretina.
Namafisiny izany nandritra resaka nataony tamin’ny mpanao gazety tao Faravohitra ny alatsinainy 30 martsa maraina teo.

Tsara tsindriana etoana fa TSY NISY MIHITSY FIANTSOANA IREO DEPUTE TIM tamin’ny fandaminana sy fizarana izay natao isaky ny fokontany hatramin’izay ka hatramin’izao. Ary noho izany dia MIANDRY NY FIANTSOANA MAZAVA ataon’ireo solontena mpitantana isam-paritra amin’izay ho tohin’ny fandaminana.

Noho ireo FITARAINANA MARO voaray avy amin’ny vahoaka ihany koa dia :
– Tokony tsy hisy ny fanilikilihana sy fanavakavahana amin’ireo fanomezana reo vary, menaka sy entana hafa ilaina ho an’ireo sahirana sy reo zokiolona fa maro reo nilaza tsy nahazo sy tsy araky ny voalaza no azon’izy ireo.

– Tsy misy ny mangaraharaha amin’ny fitantanana ny vola hoe zaraina amin’ny mpamily sns, sy ny fitaovana ka tokony ampafatarina ny vahoaka mazava tsara.

– Mila ovaina ny fandaminana fa mikorontana hatrany an-tampony ary indrindra ety anivon’ny fokontany.

– Tokony atao MARO NY TESTS RAPIDES zaraina atao isam-pokontany mba ahafantarana haingana sy hanasarahana ny salama sy ny marary izay tokony ho tsaboina.

– TOKONY ATAO MAIMAIM-POANA NY RANO ENY AMIN’NY PAOMPY satria anisan’ny fiadiana amin’ny aretimandroza ny fanasana ny tanana ary manampy an’ireo olona sahirana izany.

Fehiny: Vonona hiara hiasa ny TIM miaraka amin’ireo olom-boafidy hiadiana amin’ny coronavirus FA TSY MAINTSY asiana dinika sy lamina mialoha amin’ny zavatra tokony ho atao fa TSY AFENIMPENINA izany satria tombotsoa ho an’ny vahoaka.

Mirary soa sy fahasalamana ho an’ny vahoaka malagasy rehetra ary mankahery antsika hatrany.