Dia nande hono dia nande

Dadahoby_mpanoratra Vanim-potoanan'ny fihibohana

Dia nande hono ilay vazaha
Ilay vazaha misy coronà
Dia nihinana foie gras
Rehefa voky izy nikarenjy
Dia nandeha tany behenjy

Dia nande hono ilay vazaha
Ilay vazaha misy coronà
Dia nande nianatsimo tany
Nijerijery mpanao vilany

Dia nande hono dia nande
Io fa tonga any Antsirabe
Ninakinana menakely
Nandehandeha tao Atsenakely
Royale palace
Kaly atoandro sa glace?

Dia nande hono dia nande
Ka nitsidika andasibe
Izy ve tsy nijangajanga ?
Io fa niditra Moramanga
Mandende toa Tarzan
Io fa niditra Diamant

Nande wc izy sady nandro
3 Metis Antaninandro
Dia nande hono ilay vazaha
Ka niditra Combava

Raha izany no sainina eto
Dia ho sasatra ny hisento
Enga anie tsy ho azo nofy
Fa dia hivalana sy ho farofy

Ny mijanona an-trano ihany
Fanafody mahomby izany.

Dia nande hono dia nande….

FB Dada Hoby