Fasan’ny Karana – Gare Maki – Mpandeha taxi-brousse maro mitalaho amin’ny fitondrana fa te-hody

Vokatry ny fanapahan-kevitra ankahamehana nampiato ny taxi-brousse ny alatsinainy 23 marsa dia mpandeha maro, fianakaviana miaraka amin’ny zaza amam-behivavy, hamonjy fodiana any amin’ny toerana fodiana avy no mikatso ao amin’ny Fasan’ny Karana – Gare Maki, efa roa andro izao no nitondra ny hazo fijaliana. Tsy nahazo famatsiana rano na sakafo izy ireo, tsy misy trano fa matory amin’ny tany ary ny toerana ivoahana tsy azo eritreretina. Maro no lavi-podiana tahaka any Toliara, Ambanja, Fort-Dauphin, sns.

Manoloana ny fahoriana mianjady amin’izy ireo sy ny antso avo nataony dia tsy nahavita ny nihaino fotsiny ny filohan’ny TIM, Marc Ravalomanana, ka nandefa solontena hizara rano, akondro sy galety. Faly sy mankasitraka daholo izy ireo ary nitalaho mba handraisan’ny tompon’andraikitra fepetra hahafahan’izy ireo mamonjy ny toerana fodiany avy.

Vaovao nangonin’i Lanzelo
MBS