EDITO 21 Martsa – Tsy hadio ny CENI, na hanadio tena fahazato faharivo eo

Sôh’son

Nirotsaka vao maraindraina ny orana teto an-drenivohitra izay somary nanaitra ny sain’ny maro ihany ny fisian’izany. Mivadibadika be ihany ny toetrandro noho ny fahasimban’ny tontolo iainana ankehitriny. Raha ny tokony ho izy dia tokony hifarana anio 21 martsa ny fotoam-pahavaratra, ka heverina fa famaramparanana izany fotoam-pahavaratra izany ny orambe omaly sy afak’omaly. Dia iaraha-mahita ihany koa ny zava-misy ny toe-draharaham-pirenena eto amin’izao fotoana izao. Tsy hita be ihany fa toa milamina miharo fisafotofotoana izany manoloana ny fiheverana sy fomba fijery samihafa amin’ity resaka valan’aretina coronavirus ity. “Andriamanitra tsy omen-tsiny, Zanahary tsy omem-pondro, fa ny olombelona no be siasia”, hoy ny fitenenana sy fahendrena Malagasy. Maro ny olom-pirenena no nilaza fa karazany tara ihany vao nandray fanapahan-kevitra hanidy ny sisintany amin’ny alalan’ireo seranam-piaramanidina sy seranan-tsambo ny fitondram-panjakana. Ny ho avy no hanamarina izany fomba fiheverana izany.

Vaky ve ny “sambo” ho an’ny eo anivon’ny Ceni, ka misy ny mitady lalan-kitsoahana? Azo saintsainina ve ny hampahadio ny lamban’ny Ceni na dia ataony avokoa ity fialàna bala rehetra ity? Efa rano raraka an-tany vao manofahofa lamba. Efa nitontongana izaitsizy ny taha risipon’ny mpifidy, izay vao manao fanambarana etsy sy eroa, fa fony vao niseho tany am-piandohana izany tsy nivakiana loha. Arak’izany, tsy hadio mihitsy ny CENI na miezaka hanadio tena fahazato faha arivo eo aza. Nodiana fanina ny kiana sy tsikera maro fa ny natao ihany no natao tamin’ireo fifidianana telo nokarakarainy taty aoriana. Saro-paritana sy fantarina araka izany ny hoavy eo amin’ity seha-pifidianana ity noho izay toe-java-misy izay.

Iaraha-mahalala ny zava-misy eo anivon’ny andrim-panjakana sy any an-dapa samihafa any. Tsikaritra ho misy fingampingana politika be ihany, fa ny fibanjinana izay hahasoa ny vahoaka sy ny firenena zary taritaritina amin’izay itiavana azy fotsiny. Ho an’ny sarambabem-bahoaka dia tsy hitany izay lala-mazava sy matotra hampizorana ny firenena raha mijery an’izy ireo. Ny mampanahy indraindray dia hita ho tsy miraika amin’izay zava-mitranga eo aminy ny vahoaka rehefa mandre amin’ny fampitam-baovao isan-karazany. Azo heverina ve ny tsy hisian’ny akon’izany eo amin’ny sehatra fampandrosoana ny firenena? Misy tomponandraikitra ny famahana izany olana maro samihafa izany, ary tsy tokony haharitra ny fitadiavam-bahaolana.