Rovan’i Manjakamiadana – Hajao ny vakoka!

Ny vahiny indray ity no misintona ny sofin’ny fitondrana malagasy mikasika ny fitahirizana ny maha-vakoka ny Rovan’i Manjakamiadana, izay misehatra fanamboarana amin’izao fotoana izao ary idedahan’ny filoha Andry Nirina Rajoelina fa tsy maintsy ho vita alohan’ny fankalazana ny fetim-pirenena.

Nahazo taratasy fangataham-panazavana avy amin’ny talen’ny UNESCO misahana ny kolotsaina, i Ramatoa Yvette Sylla, ambasadaoro, delege misolotena an’i Madagasikara ao amin’ny UNESCO, Paris, momba ny asa fanamboarana ao anaty ny Rova, mikasika manokana ny “bibliothèque, salle d’archives, colysée” izay mety hisy fiantraikany amin’ny fandaniana ny Rova ho lasa vakoka iraisampirenena na “patrimoine mondial”. Roa volana no nomena ny fitondrana ahazoana valiny. Noho izany dia araka ny mahazatra, raikitra indray ny fikoropahana ao an-dapa.

Ny mampalahelo dia renesina teny ny vahiny raha vantany vao mihetsika fa raha ny taranak’andriana kosa dia tsinontsiniavina sy tsy omena sira. Toe-tsaina mamohehitra, hita sy tsapa misesisesy tahaka izany no izaran’ity fitondrana ity eo amin’ny fitantanam-pirenena.

Ka dia ho hita eo indray raha manara-penitra ny tetikasan-dradedaka! Mieritreritra sy mifandinika vao manao zavatra fa tsy atao loham-boto!

Vaovao nangonin’i Lanzelo