Loto eto Antananarivo – Mihaingo ambony tsikoko ny ben’ny tanàna Vazahabe

Ny Valosoa

Fiparitahan’ny loto sy fako eto Antananarivo Renivohitra, toa mihaingo ambony tsikoko ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina, Vazahabe, sy ny kaominina iadidiany, hoy ny maro amin’izao fotoana izao, satria miparitaka ny fako eran’ny tanàna. Ny toerana talaky maso ihany hatramin’izao no misy mpanala ireo fako miangona amin’ny dabam-pako iombonana, fa ny somary takona dia mbola mivangongo be ireo fako.

Mihaingo ambony tsikoko ihany koa ity ben’ny tanàna Vazahabe ity, satria handeha hijery fako any anelakelan-trano ve dia mianjaika be, mbola mikenda kravaty ihany nefa handeha hijery loto. Araka ny nambarany, manoloana ny fitarainan’ny mponina momba ny fiverenan’ny fako miangona, dia tonga nidina teny an-toerana ny tenako nijery ny zava-misy mivantana, hoy izy. Fantatra tamin’izany fa nisy fahatarana kely ny SAMVA tamin’ny fandraofana fako noho ny olana ara-teknika samihafa. Noraisina ny fepetra ary efa manenjika ny fandraofana ny fako ny tompon’andraikitra ankehitriny, afaka andro vitsivitsy hono dia hiverina ny fahadiovana.

Efa samy mpiara-dia amin’ny fitondrana na ny mpitantana ny kaominina, na ny Samva ka ho hita eo raha tena hadio tokoa ny tanàna, raha ny fantatra mantsy dia manana olana ara-bola ny kaominina sy ity sampan-draharaha mpanangona ny fako manerana ny tanàna ity ankehitriny. Ho an’ny kaominina manokana, araka ny vaovao voaray, efa volana vitsivitsy izao tsy nandray karama ireo mpiasa ECD ao amin’ny CUA.