Fort-Dauphin – Orinasa feno laingalainga ny orinasa Bovima

(Source Development aid)

O/Michel Farady

Orinasa feno laingalainga ny manodidina ny orinasa Bovima aty Fort-Dauphin. Hatreto, tsy mbola maharesy lahatra ny vahoaka any Taolagnaro ny filazana fa hiezaka hampandroso an’iny faritra Anôsy iny ny fitondran-dRajoelina. Nambaran’ity Floha ity tamin’ny nandalovany taty atsimo, fa manomboka hoy izy ny fanamboarana ny RN13 sy ny RN12A, ary tsy hiverina aty Taolagnaro ny tenany raha tsy vita ireo lalana roa ireo. Tsy menatra ny handainga

Zava-misy hatramin’izao anoratanay izao, tsy misy an’izany asa fanombohana izany any an-toerana. Fa ho an’ireo tsy nahita dia manaiky be fahatany, miaiky fa miasa ity fitondran-Rajoelina ity. Tsia, diso avy hatrany izany fa famahanan-dalitra an’i Taolagnaro. Poerapoera, fandokafantena fotsiny no misy.

Mahakasika ny ozinina fanodinana hena “Bovima”, na Bonne Viande de Madagascar mitohy ny asa. Ekena fa mampihena kely ny tsy an’asa ny fisian’ny Bovima. Tsikaritra fa fanararaotana no hita ao anatiny. Miovaova ary saika isan-kerinandro ireo mpiasa ao aminy. Tratry ny tian-kano sy ny tsy tian-kano ireo tanora sy ireo mpiasa ao aminy. Antony, tsy ankiato ny fandroahana tsy aman’antony. Tondro molotra fotsiny dia voaroaka. Na eo aza izany, mampametra-panontaniana ny mponina any Anôsy ny fisian’ity ozina famonoana omby “Bovima” ity.

Mifanohitra ny fanapahankevitra. Raha mahatadidy isika, nanapa-kevitra ny fitondran-Rajoelina fa tsy azo atao ny manondrana omby velona. Zava-misy, ny fanondranana hena atao. Ny fividianana omby atao. Fanapahan-kevitra mifanohitra. Tombanan’ny mponina fa hampiborobo ny halatra omby ny fisian’ny Bovima. Manondrana hena. Izay fanondranana hena izay dia hampiroborobo ihany koa ny halatra omby sy ny asan-dahalo any atsimo. Tetik’asa mifanohitra amin’ny politikam-pamandrosoana. Fanjakana mamarotra saka beloha, mivelona amin’ny lainga.