EDITO 14 Martsa – Mitobaka ny fako be eto Antananarivo Renivohitra

Helisoa

Antananarivo milamina sy madio ary mandroso no tanjona, hoy ny kandida ben’ny Tanàna Naina Andriatsitohaina tamin’ny fampielezan-kevitra, raha nirotsaka ho fidiana ben’ny Tanàna eto Antananarivo Renivohitra ny tenany. Narentirety ery tamin’izany ny kamiao marobe hoe hanalàna fako hakàna ny fon’ny mpifidy. Gaga sy talanjona anefa ny mponina ankehitriny ary velon-taraina satria any amin’ny toerana hita maso ihany no alain’ny fiarabe ny fako, fa ny any amin’ny takotakona mivangongo be.

Nenjehina mafy ny ben’ny Tanàna teo aloha Lalao Ravalomanana tamin’io resaka fako io , ka na efa nanazava aza ny tenany sy ny mpiara-miasa aminy, fa tsy ny CUA no maka ny fako fa ny SAMVA dia tsy te hahalala izy ireo. Ny tompon’andraikitra ara-panjakàna mahafantatra izany aza tsy te hahalala mitabataba eny amin’ny haino amanjery isankarazany nanao litaniana, fa 4 taona teo amin’ny toerana naha ben’ny Tanàna azy Lalao Ravalomanana fa tsy naha afaka fako.

Raha ny marina anefa dia afaky ny ekipan’i Neny Lalao Ravalomanana ny fako, tonga hatreny amin’ny dabam-pako, fa ny Samva no tsy nahavita ny adidiny nanatitra izany fako izany teny Andralanitra. Efa anareo mianakavy izao ny fahefana sy ny hery, dia raofy ny fako fa mijaly ny mponina. Sady izay koa efa nilokalokànareo ny hoe hanadio ny Tanàna dia raiso ny andraikitra ry ben’ny Tanàna, Papi Naina Andriantsitohaina, fa ianao no fantatry ny vahoaka .