EDITO 3 Marsa – Mihodinkodina fotsiny ao anaty sakorok’olana ny fitondrana

Sôh’son

Mifamahofaho be ihany ny toe-java-misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. Itrangan’izany ny sehatra maro samihafa mahakasika ny fiainam-bahoaka mivantana. Anisan’izany ny eo amin’ny lafiny fahasalamana sy fitsaboana. Mikoropaka ny eo anivon’ny holafitry ny mpitsabo, lasa nanao valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety mihitsy, noho ny fisiana karazana endrika fisavoritahana be ihany noho ny fihetsiky ny vahoaka. Anisany mampisahotaka ny vahoaka, ohatra, ny momba ity resaka halatra taova ity. Efa hananika lohalika ny ranom-bary vao misy ny fikoropahana teo amin’ireo mpitsabo nitondra fanazavana ny amin’ny tsy fisian’izany eny amin’ny toeram-pitsaboana. Ary izay hatrany, iaraha-mahalala, no mitranga eto amin’ny firenena vao mandray fepetra. Mbola tantara hafa ihany koa anefa ny mamafa izany ao an-tsain’ny vahoaka.

Tranga iray lehibe mampisahotaka ny mponina ihany koa ary mampiferinaina azy ny lafiny tsy fandriampahalemana. Niteraka resabe sy nandaniana ranomainty an-gazety sy minitra maro tamin’ny haino aman-jery ny zava-doza feno habibiana nitranga teny Ambohibao nanjo ilay vehivavy mpanompon’Andriamanitra. Azo inoana fa raha polisy na miaramila na indrindra zandary no niharan’iny vono olona feno habibiana iny efa tsy niandry ela ny hazalambo nataon’ny avy amin’ireo mpitandro filaminana ireo. Efa re mantsy io fihetsika io tany amin’ny faritra sasany nitrangan’izany. Eto, olon-tsotra no novonoin’ny jiolahy, hanao ahoana ny fanadihadiana sy ny fanenjehana ireo olon-dratsy fanetriben’ity firenena ity? Andrasana ny ho fizotrany sy hiafaràn’io raharaha io.

Mifahofaho ihany koa noho ny lafiny toetrandro ny trangan-javatra eto amin’ny firenena. Misy ny faritra dibo-drano, misy ny iharan’ny haintany. Dia misamaritaka eo ny tomponandraikitra amin’ny famahana ny olana. Mivaha ny etsy, mipoitra ny eroa. Mazava loatra, fa tsy tao anaty fandaharanasan’i Andry Rajoelina tamin’ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra, sy indrindra rehefa nandray ny fitondrana ny tenany niaraka tamin’ireo ekipany. Efa nosorohina dieny mbola tany am-piandohan’ny fahazoana fahefana mantsy izany raha nisy, mba tsy hahatongavana amin’izao atrehina ankehitriny izao. Iaraha-mahalala, fa tsy vao izao akory no misy izao toe-javatra izao eto amin’ny firenena.

Tsy hita be ihany araka izany, ny zotra mazava amin’ny lalan’ny firenena. Toa mihodinkodina fotsiny ao anaty olana sy fihetsika samihafa entina iatrehana izany. Tsy hita misongadina ny fivoarana mazava na dia efa fotoana tokony hahitana izany izao, indrindra taorian’ny nanoloana ireo ministra sasany sy ny fitanana amin’ny toerany ireo aseho hafa ho nahavita. Madiva hifarana sahady ny volana faharoa amin’ity taona ity, ary 14 volana izay no nitantanan-dRajoelina sy ny Mapar ny fitondrana, tsy hita soritra ny fiovam-piainan’ny vahoaka andavanandro.