Fanohintohinana ny asa fanaovan-gazety

Tsy afaka manao ny asany ara-dalàna sy amin’ny fomba malalaka ny mpanao gazety eto Madagasikara. Navesatra ho an’ny tontolon’ny fanaovana asan-gazety mihitsy iny taona 2019 iny, araka ny tatitra nataon’ny holafitry ny mpanao gazety.

Tamin’ny taona 2019 dia mpano gazety 13 no niatrika mpanao famotorana, niakatra teny amin’ny fitsaràna noho ny fampielezana vaovao tsy marina na fanalam-baraka. Fitoriana eo amin’ny enina na valo eo no nahitana fitoriana avy amin’ny fitondrana ankehitriny, izy izay tokony hiantoka ny fahalalahana, ahitàna ny ministeran’ny sesera sy ny primatiora izany. Ny mahavariana dia tsy nisy fitoriana mpanao gazety tamin’ny fitondram-panjakana teo aloha dia. Ankehitriny kosa dia mitranga izany. Ny tompon’andraikitry ny ministera mpiahy, izay mpitsikera namely mafy tamin’izy ivelan’ny fitondrana, indray no toa tsy mahazaka rehefa tonga eo an-toerana. Kanefa tsy nisy nitory izy tamin’izany ary navela niteny malalaka.

Manoloana izany dia nandray andraikitra ny mpanao gazety mivondrona ao amin’ny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara (OJM), tarihan’ny filohany Gérard Rakotonirina. Nifampiarahaba tratry ny Asaramanitra noho ny taona vaova 2020 izy ireo tao Tsiadana ny sabotsy 20 febroary. Nahatsiaro izy ireo fa voatohintohina ny fahalalahana fanaovana asan-gazety amin’ny ankapobeny, ary niombo-po sy nifanaiky fa hanambatra ny hery sy hiray hina hanohitra izany tsy rariny ataon’ny tompon’andraiki-panjakana izany.

Etsy andaniny dia mbola mijabaka ao anaty raharahan’ny mpanao gazety indray ihany koa ny ministeran’ ny serasera eo amin’ny resaka karatra maha-matianina. Filam-banona no azo andraisana ny famindràna ny sekretera jeneralin’ny holafitry ny mpanao gazety any Maintirano. Tsy fitiavana manokana sa finiavana handrava ny rafitra efa napetraka? Tsy fantatra fa dia miato aloha ny fizaràna karatra noho ny tsy fahampian’ny isan’olona eo anivon’ny vaomiera, izay tsy maintsy feno vao afaka miroso amin’ny fizaràna ny karatra. Dia miato koa araka izany ny fifidianana handrafitra ny birao vaovao, ary manohy ny asany ny birao teo aloha.

Vaovao MBS nangonin’i Lanzelo