Filoha Ravalomanana – Kabary fanavaozana sy fanamafisan’orina ny antoko TIM

Ianareo mpitarika ato anatin’ny antoko TIM

Ny voalohan-teniko dia ny fisaorana an’Andriamnitra lehibe nohon’ny nanomezany antsika tombon’andro indray ka ahafantsika mihaona eto amin’ity toerana ity. Hisaorana ihany koa izy nohon’ny fitsimbinany, indrindra ianareo avy lavitra, ka tonga soa amantsara eto Antananarivo. Hirariana lalandava ihany koa ny hiverenanareo soa amantsara any antokan-tranonareo tsirairay avy rehefa vita ny dinika izay atao eto.

Zava-dehibe tokoa ity fotoana ity ho antsika ato amin’ny antoko, indrindra ho anareo tompon’andraikitra isan’ambaratongany sy ny olomboafidy rehetra. Araky ny efa fantatrareo dia natao ity fivoriana ity mba hanavaozana, sy hanamafisan’orina, mba hiroso amin’ny redynamisation izany. Izany redynamisation izany dia tsy vita indray andro akory satria misy ireo dingana tsy maintsy arahina. Tsy vitan’ny fanoloana olona fotsiny izany, fa tsy maintsy jerena daholo ireo tsy mety izay mila fanarenana ary mitaky ihany koa fiovana eo amin’ny fomba fanao, na fomba fihetsiky ny tsirairay, na changement de comportement izany. Fanombohana ihany ny antsika androany. Fotoana izao, satria efa manana ivon-toerana fampiofanana isika ao amin’ ny Foibe.

Ny zavatra tsapa aloha dia tsara fanombohana isika amin’izany satria dia hita tokoa ny hafanam-pon’ireo mpikambana avy any amin’ny faritra rehetra satria dia voatery notohanam-potsiny ny maro taminareo. Fisaorana lehibe tokoa no atolotra anareo rehetra, indrindra ianareo izay nanampikasana ho avy kanefa dia voatery najanona satria mbola ireo tompon’andraikitra aloha no nantsoina androany. Ny hirariana dia ny hitohizan’izany hafanam-pon’ny tsirairay izany mandritr’izao fotoana hanomezana aina vaovao ny antoko izao. Isaorana ihany koa ianareo rehetra tonga eto fa dia hita porofo tokoa fa matanjaka ny antoko.

Araky ny efa fantatrareo dia nisy ny fanavaozana amin’ny ampahany ny birao nasionaly, mba hahafahana manao ny redynamisation. Koa faly aho manolotra anareo ny Sekretera Jeneraly vaovao vao notendrena dia Rina Randriamasinoro izany. Tsy zoviana ho antsika intsony izy, indrindra ho anareo eto an-drenivohitra. Izy moa no kandidantsika ho ben’ny tanàna teto Antananarivo. Ny olona voatendry faharoa dia ny Solombavambahoaka Fidèle Razara Pierre izay ho Mpandrindra ny serasera ny antoko. Izy moa dia mpanao gazety ihany koa ka inoana fa manana ny traikefa amin’izany ary hitarika ny ekipan’ny serasera.

Raha izy roalahy vao notendrena ireo no dinihana dia mazava fa mbola tanora ary ao anatin’ny tena hery izany. Izany hoe afaka manome aina vaovao ny antoko indray ary hanentana ny tanora ihany koa mba hiditra ho mpikambana ato amin’ny antoko. Hanampy azy ireo amin’izany ireo Solombavambahoaka voafidy16 mianadahy. Koa mitso-drano anareo aho eo amin’izao fanamby goavana izay hapetraka aminareo izao. Anisan’ny antoko politika mantanjaka eto Madagasikara ny antoko TIM, koa mino aho fa ho tratrantsika ny tanjona.

Araky ny voalazako teo dia tsy hoe fanovana rafitra na fanendrena olona fotsiny no atao amin’ny redynamisation, fa misy dingana maro tsy maintsy arahina. Ilaina ny fanovana ny comportement, ny fifandraisana eo amin’ny mpitarika sy ny mpikambana, ary indrindra ny fanatsarana ny serasera sy ny fampiofanana. Ireo rehetra ireo dia mila hampiharina sy arahimaso ny fanatanterahana azy, mba hahafahana manitsy izay tsy mety ary manatsara hatrany. Izay no atao hoe : miasa mafy, miasa tsara mba hitondra tombontsoa ho an’ny rehetra, ka ho hankasitrahan’ny vahoaka ny asa sy ny programan’ny antoko.

Tsara ho marihina ihany koa fa ireo rafitra apetraka rehetra any amin’ny faritra dia atao vonjy maika aloha. Ireo rafitra vonjy maika isan’ambaratongany ireo no hametraka ny rafitra maharitra amin’ny alalan’ny fifidianana ataon’ireo mpikambana fototra izany. Izany fametrahana rafitra miainga any amin’ny fototra izany anefa dia mitaky fanoratana ny anaran’ireo mpikambana tsirairay, mba ho fantatra tokoa ireo mpikambana afaka mifidy, fa tsy hisy sanatria an’izany mpikambana milatsaka ho fidiana, ka hitondra olona hafa, na hividy olona amin’ny fifidianana ireo tompon’andraikitra isan-karazany ireo.

Noho izany dia tsy maintsy apetraka sy hamafisana tsara ny disciplines eto amin’ny antoko, ka hanaraka izany daholo ny tsirairay. Io fanarahana fitsipika io tokoa no ahafantarana ny antoko ary beazina amin’izany isika rehetra, fa tsy misy zavatra ho vita raha tsy misy io. Izany koa dia mitaky ny atao hoe éthique politika. Isika mpikambana ato amin’ny TIM dia manana ny fotokevitra hijoroantsika, ka ny rehetra tokony hanaraka izany. Ireo izay tsy voafidy amin’ireny rafitra hapetraka ireny dia tokony hanaja ny vokatra sy izay mpikambana lany eo, fa tsy hiala amin’ny antoko, na hitarika an’ireo mpikambana hafa hifindra antoko hafa. Izany no atao hoe demokrasia ka isika ato anatiny no tokony hanaja izany demokrasia izany voalohany. Ireo mpikambana mihevitra ny tsy mankatò izany dia azo lazaina fa tsy mikatsaka ny tombontsoan’ny antoko fa mikatsaka ny tombontsoan’ny tenany manokana. Ireny olona ireny izany dia tsy manana sady tsy manaja ny atao hoe éthique politika. Ankoatr’ireo dia efa manana ny maha izy azy ny antoko, indrindra eo amin’ny fijoroana amin’ny fahamarinana sy ny fitsinjovana ny tombontsoam-bahoaka.

Amin’ny maha antoko mpanohitra antsika dia tena andraikitra manokana ho an’ny antoko ny mitsikera ireo tsy fanarahan-dalàna rehetra na ihany koa ny tsy fijerena ny tombontsoam-bahoaka izay ataon’ny fitondrana. Noho izany dia tsy ny mpitarika eto Antananarivo irery no misahana an’izany fa andraikitra ankinina amin’ny mpitarika ny antoko isan’ambaratongany rehetra izany.

Tsy maintsy mijoro isika mitsikera ny mpitondra amin’ny tsy fanajana ny tany tan-dàlana, ka ao anatin’izany ny tsy fanitsakitsahina ny lalampanorenana. Tsy maintsy miady isika amin’ny fametrahana ny demokrasia tena izy ary ny fametrahana ny fanjakana tsara tantana. Tsy ekentsika ihany koa ny tsy fanajana ny zon’olombelona ataon’ny mpitondra. Ireo voalaza rehetra ireo no miantoka ny stabilité politika eto amin’ny firenena sy ny fifampidimbiasam-pahefana ao anatin’ny filaminana. Ny antoko TIM dia antoko ao amin’ny antsoina hoe demokraty kristiana, nefa na izany aza dia misokatra amin’ny olona rehetra sy ny finoana rehetra.

Ny hafatra hapetrako ho anareo rehetra dia hajao ny toromarika omen’ireo ekipa hiandraikitra izany redynamisation ny antoko izany. Hamafiso sy araho hatrany ny disciplines na ny fitsipi-pifehezan’ny antoko, hapetraho sy hajao ny ethique amin’ny maha mpikambana ny antoko TIM anareo, fa aza mety ho voarebirebin’ny sasany. Mahaiza ihany koa anefa mifankatia mba hanjaka ny esprit de solidarité eo amintsika rehetra. Ianareo tompon’andraikitra rehetra, mahaiza ihany koa ianareo mihaino ny feon’ny mpikambana any amin’ny fototra.

Mamporisika anareo ihany koa hijery manokana ny tanora sy ny vehivavy mba ho tonga maro izy ireo hanatevin-daharana ny antoko. Izy ireo no maro an’isa eto amin’ny firenena, ka tokony ho hita taratra eo amin’ny mpikambana ihany koa izany.

Ny antoko TIM dia natao ho an’ny Malagasy rehetra, koa ianareo izay efa niaraka taminay taloha, ka tapakevitra ny hiverina an-daharana indray, manantena izahay fa fantatrareo tsara izao fa tsy manavaka ny antoko ary mikatsaka hatrany ny tombontsoan’ny besinimaro.

Misokatra hatrany ny varavaran’ny antoko rehefa samy vonona isika, fa hanaraka ny disciplines ary hanaja ny éthique politique, ka sahy hijoro hanandratra hatrany ny hasin’ny antoko TIM ary ny tombontsoam-pirenena.
Homba antsika rehetra Andriamanitra