EDITO 29 Febroary – Fitantanam-pirenena – Tsy mifanojo ny ilain’ny vahoaka sy ny ataon’ny fitondrana

Sôh’son

Mifarana ny volana faharoa amin’ity taona 2020 ity, sy volana 14 lany sahady ao anatin’ny fe-potoana iasan’ny fitondrana Rajoelina. Endrika ivelany ihany no hita ikofohan’ny fitondrana, fa ny tena votoatin’ny fiainam-bahoaka tsy misy tokontaniny.

Miseho ho mpikatsaka fahamarinana amin’ny alalan’ny fanenjehana ireo manao ny tsy marina amin’ny andraikitra tanany ny fitondrana ankehitriny, ary andaniana ezaka mafy ny amin’izany, kanefa ny atin’ny sehatra amin’izany toy ny any amin’ny fitsarana mampihivingivin-doha ny vahoaka. Jerena toa misy ezaka atao any anaty etamazaoro sy tobin’ny foloalindahy rehetra any, kanefa toa tsy mihena velively ny isan’ireo mamarara ao anatiny, izay misy mifandray tendro amin’ny olon-dratsy, ka toy ny fanetriben’ity firenena ity, hany ka tsy voafehy ny tsy fandriampahalemana.

Manao angoan-tenda amin’ny fisehoana ho hanandratra ny fiandrianam-pirenena, dia atao izao sy izatsy ho hitam-bahoaka kanefa toa mbola ny taranaky ny mpitondra politika mpanjanatany, sy ireo teratany vahiny mpanefoefo eto amin’ny firenena mbola tsikaritry ny maro ho henoina kokoa noho ny vahoaka. Miseho ho sarotiny amin’ny kolontsaina sy soatoavina maha malagasy dia mihazakazaka manamboatra ny Rovan’i Manjakamiadana, ohatra, kanefa ny fototra iray lehibe amin’izany tsy hita izay vahaolana entin’ny fitondrana mandrak’izao 14 volana aty aoriana izao. Tsy inona izany fa ny vaky fasana sy halatra taolam-paty, izay tena hametrahan’ny Malagasy hasina fatratra tokoa, ary tena marary aminy io. Tsy hita ho nihetsi-bolomaso na kely akory mba nandray fepetra hentitra amin’izany ny fitondrana Rajoelina.

Hatreto manalasala toy ny akotralahy miakanjo jaky ity fitondrana Rajoelina ity, hoharahabaina tsy andriana; havela ihany, miakanjo jaky. Toa miasa ihany kanefa tsy ny tena atin’ny olam-bahoaka sy andrasany no itadiavam-bahaolana maika. Hihomehezan’ny olona ihany araka izany raha misora-tena ho nahavita zavatra be noho ny hafa hatramin’izay. Hatreto mbola lavitry ny afo ny kitay. Ho hita eo ny zava-hisy amin’ny volana fahatelo manaraka eo.