NY FIALANAREO NO ILAINA

Indro miaiky ankehitriny Ranarivo sy Ramanana,
Fa hoe be ny tsy tomombana tamin’ny lisi-pifidianana,
Saingy tratra aoriana loatra ity karazam-piekena,
Fa fialana bala hatrany hoenti-manamarin-tena!

Moa hanova ny efa vita irony teny izay nambara,
Raha miaiky ankehitriny ianareo mpikarakara?
Sa ny tanjona , tsy miova, fibodoana seza hatrany,
F’ianareo no tena “katraka”, ianareo irery ihany?

Moa hamafa ny hatezeran’ny mpifidy an-tapitrisa
Ny nataonareo komity, faly fotsiny hitanisa,
Fa tsy miomana mihitsy ny hametra-pialana
Na dia hita ny fiangarana, tsapa ny fitanilana?

Efa ela anie ny maro no nitondra fanakianana,
Saingy indrisy, moa nihaino ny komitim-pifidianana,
Fa dia valiny hafahafa hatrany hatrany no indro re.
(Toa midika f’ianareo no hany tena “favo be”!)

Ry komity, ry komity lany andro miala bala.
Dieny mbola tonitony, tsara ho anareo ny miala,
Fa ho tratra aoriana loatra raha mitambatra ny feo
Ka miantsoantso sy mitaky hoe “mbay fa tsy izy ianareo!”

DADAN’i ZINA (01-03-20)